Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 Jolay 2016

MA-ART-LAZA, VAHININ'NY PÔETAWEBS


Poeta sady mpikabary indray no vahinin'ny Pôetawebs. Lehilahy tanora izy. I Léa Fandresena sy i Anyah no miara-tapatapakahitra aminy.

 

Lea Fandresena
Faly miarahaba anao izahay tongasoa eto amin'ny
seraseran'ny Pôetawebs hiara-hitapatapakahitra aminay.

Mahazoa toerana andriamatoa fa ho manga tokoa ny resaka anio.


Ma-art Laza
Faly miarahaba an'i Léa Fandresena sy Anyah ary ny
mpanaraka rehetra ny Pôetawebs ihany koa ny tenako e!


Lea Fandresena
Ny anarana hono fisandratana koa ampahafantaro ny mpisera
ary ny momba anao.


Ma-art Laza
Mialihirantsoa Maholiharilaza no anarana nampisaloran'ireo
Ray aman-dReniko ahy. Avy amin'io fanampinanarako io ihany no notsoahina ny anarana nisalarona amin'ny fanoratana dia ny hoe M-art-Laza.


Lea Fandresena
Samy nomen'Andriamanitra talenta daholo ny olona, inona
amin'ireny no anjaranao?


Ma-art Laza
Asa na talenta fa mikabary ny tenako ary manoratra
tononkalo ihany koa, ny sombin-tantara kosa anefa mbola tsy nataoko nefa asa? Arakaraky ny aingam-panahy ihany io!


Lea Fandresena
Mpikabary? Ahoana no fahitanao ny kabary ankehitriny,
manaraka ny fomba taloha ve sa nisy fiovana?


Ma-art Laza
Miroborobo tokoa izy io ankehitriny, liana aminy na ankizy
na antitra na tanora. Io indray arakaraky ny firosoan'ny tsirairay sy ny safidy no misarika azy na hanaraka ny toetr'andro na hanaraka ny fomba taloha, na izany aza tokony tsy ho very kosa ny soatoavina ao anatiny.


Lea Fandresena
Inona izao no tena nahasarika anao hikabary, dia ahoana ny
fomba fanentanana ny olona ho liana aminy satria maro ny tanora mirona be amin'ny fandrosoana?


Ma-art Laza
Araka ny voalazako tetsy ambony, na maro aza ny
fandrosoana, misy ihany koa ny mandala sy liana hatrany.


Lea Fandresena
Hidirako indray ary ny maha-poeta anao. Oviana ianao no
nanomboka nanoratra?


Ma-art Laza
Tamin'ny taona 94 aho no nanomboka nanoratsoratra sy nitia
tononkalo; nisy fotoana lavalava mihitsy anefa tena nangina ary nanomboka tamin'ny taona 2014 vao niverina indray ary tsy hijanona intsony!


Lea Fandresena
Misy zavatra mampiavaka anao ve amin'ny mpanoratra hafa?

 

Ma-art Laza
Aleo angamba ny mpankafy no hamaritra an'izay fa tsy tsara
loatra ilay misora-tena!


Anyah
Fa tokony ho hita sy faritanao ihany ny zavatra mampiavaka
anao ao anatin'ny mpanoratra maro be.


Ma-art Laza
Tsy hiteny aho hoe manavanana ahy ny tononkalo malala-
tsaina na somary masira fa amin'izay no mifoha kokoa ny aingampanahiko e! Tsy midika akory hoe ratsy saina na vetaveta fa manao tononkalo hafa tsy ampoizina ihany koa ny tenako!


Anyah
Izay ilay tianay ho fantarina satria ny olona tsirairay
dia tokony hanana ny mampiavaka azy, indrindra fa ianareo mpanakanto.


Lea Fandresena
Mba omeo andinin-tononkalo iray na roa àry hamantarana anao e!


Ma-art Laza
Tena tsy àry tadidiko tsianjery r'ise fa raha mety dia
sombiny ihany ity a!

Tsy hadinoko ireny

Lanin'ny alika aho anie tamin'iny
F'izaho tsy niteny
'Lay izaho tratra hariva nanatona anao
Tsy hadinoko ireny.

Ny bedibedy sy ny ompa reny nataon-jokinao!
Tsy hadinoko ireny fa izaho tsy niteny satria tiako
ianao...


Anyah
Tena mafilotra tokoa. Izany koa nolazaina fa tsy tadidy!


Ma-art Laza
Indray zoma aho tsy tafody an-trano nidiran'angano
Fa mbola voasazin'i mamanareo  hikoso-trano...


Anyah
Hahaha! Sady mampihomehy no mahafinaritra. Fa hono ho'aho,
efa nisy boky ve iny tononkalo iny?


Ma-art Laza
Tsy mbola namoaka boky ny tenako fa aleo aloha miandry ho
matoy tsara.


Anyah
Marina loatra izany. Ilaina ny fanaketrehana tsara ny
sakafo vao aroso vahoaka.


Ma-art Laza
Azonareo jerena ao amin'ny pejy "tononkalo malaza" na
"tononkaloko" ny asa-soratro jiaby fa tsy feno ilay teo iny e!


Anyah
Fa hono tokoa ho'aho ry Malaza, ianao mpanoratra, rehefa
fotoana inona no manainga anao ny fanahy hanoratra? Tsy indraindray mantsy ny zava-misy no manery azy hanoratra.


Ma-art Laza
Arakaraka ny zava-mitranga sy aingam-panahy tokoa fa tsy
araky ny eritreritry ny olona sasany mangataka hamoronana tononkalo eo noho eo ireny tokoa. Fanamarihana kely rehefa manoratra ilay hoe "malaza" dia misy tsipi-panohizana (-) kely io azafady sao lazain'ny olona hoe te-halaza eo! Hihihi! Ma-Laza


Anyah
Hahaha! Ianao an!  Be vazivazy. Eny ry Ma-laza a! 
Hatraiza ka hatraiza ary izay ny dingana vitanao hatramin'izay e?  Ary ahoana sy ahoana ny vinan'asanao?


Ma-art Laza
Miezaka mifanerasera ary tsy mijanona mandalina sy
mandinika, ho hita eo ihany atsy ho atsy e!

 

Anyah
Hay! Ahoana ny fahitanao ny fivoaran'ny literatiora
malagasy eto amintsika e?


Ma-art Laza
Mivoatra tokoa a! Manaraka ny toetr'andro ara-bakiteny,
izay ihany no azoko lazaina aloha.


Anyah
Ary sokajin'olona ahoana sy ahoana no hitanao sy
tsikaritrao mankafy ny literatiora?  Ohatra hoe tanora sa antitra sa ny sarambabem-bahoaka?

 

Ma-art Laza
Fahitako azy manokana aloha dia tanora e!


Anyah
Marina izany, fa ny sarambabem-bahoaka dia saika efa
mankafia ny poezia koa. Fa misy hafatra kely ve tianao hampitaina ny mpanoratra sy ny poeta maro eto Madagasikara?


Ma-art Laza
Tsara ny mifanolo-tanana sy mifanakalo hevitra fa tontolo
iray no iarahana.

 

Anyah
Ary inona no hafatra ho an'ireo mpankafia ny literatiora
malagasy?

 

Ma-art Laza
Ny hafatra dia hoe fony fahavelony dia tiavo sy omeo lanja
ny pôeta sy ny mpanoratra fa tsy hoe maty vao ramalala e!


Anyah
Marina zany. Fa hamarana ny fotoana isika ka isaoranay
etoana ianao nanaiky nivahiny teto aminay ary nanaiky nifampizara taminay ny kanto indrindra. Dia mankasitraka indrindra tompoko!


Ma-art Laza
Ianareo no isaorana e! Telina indrindra nanome sehatra
vaovao entina hisandratan'ny zazavao toa anay!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/07/2016

×