Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

21 Aogositra 2016

IDEALY FAHAFAHANA, VAHININ'NY PÔETAWEBS


Pôeta tovolahy indray no vahinintsika Pôetawebs. Tsy iza izany fa i Idealy Fahafahana. Mahakasika azy mantsy ny hetsika lehibe mirentirenty eto an-tanàna antsoina hoe "AFOM-PÔEZIA". Léa Fandresena no mandray azy eo amorom-patana.


Léa Fandresena
Faly mandray anao tongasoa eto amin'ny tranonkala. Iza moa ianao Idealy Fahafahana?

Idealy Fahafahana
Faly miarahaba anareo rehetra eto aloha e! I Axel Mamy dia anarana entiko anaty "Facebook" fotsiny ihany fa Idealy Fahafahana no anarana tena isalorako amin'ny maha-poety sy mpanoratra ahy. Idealy Fahafahana dia poety no sady mpanoratra, naloaky ny taon-jato faha-21.


Léa Fandresena
Hay ve ianao io e! Faly mahafantatra. Dia iza indray ianao amin'ny maha olom-pirenena anao?

Idealy Fahafahana
"RANDRIARINAIVO Jean Yves Mamy" io no anarako sy fanampin'anarako. Teraka tao Anjanahary - Antananarivo ny 5 Aogositra 1996.


Léa Fandresena
Tantarao anay ny lalana nodiavinao amin'ny maha-mpanoratra, ny dingana vita ary ny mbola hatao?

Idealy Fahafahana
Raha ny marina, hatramin'ny fahakeliko aho dia tsy nieritreritra hoe hanao mpanoratra rehefa lehibe fa ny fiainana sy ny fihodinkodiny no nitantana dia izao lasa mpanoratra izao. Ny antony nanoratako dia mba hanadinoako ny fiainan-dasako fa indrindra ireo fahoriana izay tsapako tao.
Dia ho fibanjinana ny fiainana ho avy rehetra no anton'ilay "Idealy Fahafahana" izay raha hazavaina kely ny dikany dia izao:
"Idealy" tanjon'ny saina ary "Fahafahana" kendrin' ny fanahy.
Ny 10 Jolay 2014 aho no nanomboka nanamasina azy io ary hatramin'izao...
Roa taona mahery izay no nanoratana ary efa miisa 2000 mahery any ho any ny ainga efa voatontosa. Ezahina ny hanapariaka ny tononkalo manerana izao tontolo izao.
Izay no tanjona hotratrarina.


Léa Fandresena
tafiditra anaty fikambanana ve ianao?

Idealy Fahafahana
Tsy mbola. Efa nieritreritra ihany saingy mbola tsy nanana fahafaha-manao, moa eo koa ny asa mitazona.


Léa Fandresena
Ianao ve afaka manonona anarana mpanoratra ankafizinao?

Idealy Fahafahana
Amin'ireo andrarezina ve? I RADO no voalohany tena tiako dia avy eo i Ny Eja.


Léa Fandresena
Mirona amin'ny inona ny asa soratra mahavantana anao?

Idealy Fahafahana
Ny asa soratro angamba dia saika mirona betsaka any amin'ny fandokoana vehivavy, amin'ny maha-voninkazo azy. Ao koa ny vavaka sy fitrakàna.
Tsindraindray ihany no mba manembona e!


Léa Fandresena
Mankasitraka anao fa mangataka sangan'asa avy aminao maneho izany andriambavinilanitra izany ary ny mpankafy anao.

Idealy Fahafahana
Indro ary...

ENDRIKA IDEALY

Madio tsy misy pentina
Lafatra aok'izany
Mambabo ny fijeriko
Izato endrikao mamiratra

Rehefa injay mitsiky
Tena mahafaritra ahy
Nofinofiko isan'alina
Ilay masonao mibanjina ahy

Fanaperana ny hatsaranao
Mihavao isa-maraina
Resinao tanteraka ny amiko
Fa tena kanto ny endrikao

Inoako fa mbola hisy fotoana
Indro ianao ho olon-tiako
Amin'izay dia ankafiziko hatrany
Ilay endrikao idealy

Diam-penin' i Idealy Fahafahana (nosoratany ny 26 Jolay 2014)



Léa Fandresena
Mahafinaritra tokoa ny hakanton'ny asa soratrao fa avaditsika ny tafa. Misy hetsika hataonareo ato ho ato ampahafantaro ny namantsika.
Inona ilay seho atanareo dia iza avy mpandray anjara sy izay tsara ho fantatra momba izany?

Idealy Fahafahana
Mikarakara hetsika tokoa izahay izay nampitondrainay ny lohateny hoe "AFOM-POEZIA" ary efa eo am-piketrehana tokoa amin'izao fotoana izao. Io hetsika io dia hotontosaina ny zoma 26 Aogositra 2016 ho avy izao ao amin' ny CEMDLAC Analakely ary i Ny Eja no hanolotra azy. Ireo handray anjara amin'ny fiantsana pôezia kosa dia ahitana ny tenako, izaho Idealy Fahafahana Mamy, Zara Ainga, Willy Jaonary, Faniry ary i Lahatra izay samy tovolahy avokoa noho ny safidin'i Ny Eja. Tanjona ny hanamafisana ny fiarahanay ireo anatin'ny tontolon'ny pôezia fa indrindra ho fampitiavana ny kanto vita amin'ny soratra ho an'ny Malagasy. Manomboka amin'ny 2 ora sy sasany atoandro io hetsika io an! Aza tara fa tsy mbola fantatra indray ny hetsika manaraka hoe rahoviana aorian'io!

Tongava daholo e!


Léa Fandresena
Tongava daholo hoy izy ireo fa hisy afo ao. Inona no antony nisafidinareo io anarana io?


Idealy Fahafahana
Ny tena marina, izahay ireo bebe fitiavana izay ary tia mizara. Am-panetren-tena no ilazana izany. Angamba fitambaran-kevitray tsirairay izay natambatra no nanome ilay "AFOM-POEZIA" e! Fa tsy dia misy hoe antony manokana ka!


Léa Fandresena
Io fitiavana lehibe indrindra hozarainareo io ve dia ahitana fahatsiarovana amin'ny alalan'ny boky?

Idealy Fahafahana
Ny fahatsiarovana dia hisy tokoa! Efa nanomana "dépliant" misy mahakasika ny pôety tsirairay sy ny asa sorany ao izahay ary azon'ny mpanatrika rehetra jifaina amin'ny vidiny mirary dia mirary. Azo atao ihany koa moa ny miara-maka sary aminay na maka rango-pohy sy ny sisa...


Léa Fandresena
Ho avy tokoa maheno an'izany fa hamaranana ny tafatafa isika, 
ahoana ary fahafantaranao ny Pôetawebs?

Idealy Fahafahana
Ny fahafantarako ny Pôetawebs? Io dia tranon-kalam-pifandraisana izay miresaka manokana sy mampahafantatra ireo poety teo aloha sy ireo aty aoriana ary ny fizotran' ny teny aman-tsoratra malagasy, ny tononkalo malagasy indrindra indrindra. Ahafahan'ny mpanoratra sy ny mpankafy mifandray ihany koa ary mpampahafantatra hetsika ara-kolontsaina tahaka an'izao ataonay izao.



Léa Fandresena
Ary ahoana ny fahitanao ny asa soratra malagasy ankehitriny?

Idealy Fahafahana
Ny asa soratra malagasy ankehitriny amiko dia miha-mipoitra indray raha nangingina tao ho ao satria dia mihamaro ny mpanoratra vao misandratra ary izy ireny dia miezaka maka fitaratra an'ireo andrarezina teo aloha. Na izany aza anefa dia amporisihina ihany izy ireny hanao asa matotra foana e! Satria ho lovain' ny taranaka faramandimby izy ity!


Léa Fandresena
Teny famaranana avy aminao raha tsy mahadiso.

Idealy Fahafahana
Teny hamaranako azy dia ny hoe tiavo ry zareo ilay tenintsika a! Tiavo fa io ange ny antsika e! Aza atao toy ny valalan'amboa ka na ny tompony aza tsy tia... Aoka ny tenintsika no atao lohalaharana izay vao ny an'ny vahiny. Dia manantena ny fahatongavanareo izany izahay ny 26 Aogositra ho avy izao e! Efa afaka andro 5 eo ho eo sisa an! Amin'ny 2 ora sy sasany atoandro! Ento ny tapaka sy namana ary ny havana aman-tsakaiza e! Tena hahafinaritra io mantsy e! CEMDLAC Analakely ilay izy an!!! Mandra-pihaona daholo, dia misaotra ny Pôetawebs nampivahiny e!


Léa Fandresena
Mankasitraka indrindra anao nivahiny teto amin'ny Pôetawebs, dia mirary soa anao hahavita izay atao. Manantenana ny namana rehetra hianoka ny afom-poezia  miaraka amin'izy ireo. Mankasitraka tompoko!

Idealy Fahafahana
Ianareo no isaorana e!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 25/08/2016