Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

27 Aogositra 2016

Tapatapakahitry Doda Razafindravelo sy ny "Afom-poezia"

Nialoha kelin'ny nanombohan'ny sehatra AFOM-POEZIA dia nitapatapakahitra tamin'izy dimy mirahalahy nanafana ny AFOM-POEZIA ny tranonkala PÔETAWEBS tamin'ny alalan'i Doda Razafindravelo.

Noraisim-peo ihany koa ireo mpitendry mozika nanafana ny hetsika.

Marihina fa ity hetsika ity dia nokarakarain'Ny Eja ary notanterahina ny zoma 26 aogositra 2016 tao amin'ny CEMDLAC.

Tsindrio [ETO] hahafahanao mihaino ny tapatapakahitra. Mihainoa finaritra tompoko.

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 28/08/2016