Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

31 Aogositra 2016

Jaonary, vahinin'ny Pôetawebs

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao izahay tongasoa ato amin'ny tranonkala Poetawebs.

Jaonary
Miarahaba tompoko!


Léa Fandresena
Iza àry no vahininay anio e?

Jaonary
Willy Rakotondrajaona no anarako, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Jaonary.


Léa Fandresena
Azo ampahafantarina anay ve hoe iza i Jaonary?

Jaonary
- teraka tamin'ny 22/02/96 tao Ampahimanga Ambohimanambola aho
- monina ao Ambohimangakely
- mbola mpianatra
- ny fanoratana tononkalo no hahafantarana ahy, nanomboka tamin'ny 2011 aho no nanoratra.


Léa Fandresena
Mahafinaritra tokoa fa maro ireo tanora no mirona amin'ny fanoratana ankehitriny. Inona no antony nahatonga anao ho lasa mpanoratra?

Jaonary
Mbola tsy mpanoratra kosa aho angamba fa manoratra fotsiny ihany. Ny antony anoratako dia tsapako fa nomen'Andriamanitra talenta kely aho, ary io talenta io no manaitra ahy amin'ny alalan'ny aingam-panahy. Manana adidy aho noho izany amin'ny fanolokoloana azy.

Léa Fandresena
Samy manana talenta ny rehetra dia izay no anjara tandrifinao. Tononkalo mirona amin'inona ary no mahavantana anao?

Jaonary
Maro ny azo anoratana fa miankina amin'ny aingam-panahy io. Hatreto aloha dia ny tononkalo miresaka fitiavana na koa miresaka mahakasika ny mpanoratra sy ny asa soratra no maro an'isa indrindra.


Léa Fandresena
Efa maro ny namana mankafy ny asa soratrao. Mety ve ianao raha asain'izy ireo manoratra ho azy?

Jaonary
Maro mihitsy ireo mangataka ny hanoratako ho azy, tsy manda aho raha misy azoko atao, kanefa miankina amin'ny fiaingan'ny fanahiko ihany io fa tsy azo terena.

Léa Fandresena
Aingam-panahy marina raha izany. Iza ary no mpanoratra nankafizinao tamin'ireny andrarezina taloha ireny?

Jaonary
RADO sy J.J.R no anisan'ny tena ankafiziko.

Léa Fandresena
Tena mpanoratra malaza tokoa ireo. Ary ny mpanoratra namana amin'izao fotoana izao, iza no mahaliana anao amin'ny asa sorany?

Jaonary
Ny Eja izao no isan'ireo filamatra ho ahy raha ny mpanoratra ankehitriny.


Léa Fandresena
Misy fikambanana namolavola anao ho lasa mpanoratra ve?

Jaonary
Mpikambana ao amin'ny V.K.H.M aho.


Léa Fandresena
Azonao ambara ve ny antony nahatonga anao hiditra tao sy ny mombamomba io fikambanana io?

Jaonary
Ny V.K.H.M na Vondron'ny Korira kanton'ny Haisoratra Malagasy dia vondrona mikolokolo sy mitaiza ny tanora manoratra sy mankafy ny tononkalo. Izay no tena ahafantarana io vondrona io ary i Saholy Rakotonanahary no filohany.

Mpanaraka sady mpandefa tononkalo ao amin'ny ACEEM Radio aho ary mpanaraka ny hetsika fanaon'io fikambanana io na dia fony mbola tsy mpikambana tao aza. Nangataka ny hiditra ho mpikambana aho taty aoriana, ary izao mbola ao izao hatramin'izao.


Léa Fandresena
Inona àry no dingana vitanao teo amin'ny literatiora?

Jaonary
Mizara ny kanto amin'ny alalan'ny antsa, amin'ireo hetsika isan-karazany aloha hatreto, miaraka amin'ny KORIRA na ireo namana hafa.

Léa Fandresena
Momba ny AFOM-POEZIA, seho vao haingana nahitana anao, ahoana fahitanao ny zava-nisy sy ny nieritreretinareo?

Jaonary
Azo lazaina fa nahitana fahombiazana aloha ny hetsika. Tsy arakaraka ny hateren'ny fotoana nampielezana azy sy ny tsy fahampian'ny fanomanana. Hita izany tamin'ny hamaroan'ny mpanotrona. Ary ankehitriny aza dia misy ny mangataka ny hetsika manaraka sahady.


Léa Fandresena
Arahabaina! Lazao kosa àry ny dingana manaraka.

Jaonary
Santatra am-bavarano tamin'ny fiarahanay 6 iny AFOM-POEZIA iny fa ho avy tsy ho ela ny manaraka.
Ankoatra izay dia efa mandeha any ambadimbadika any ny eritreritra hamoaka boky, na ho anay 6 izany na ny mety hiarahana amin'ny namana hafa. Eo koa ny hikambanan'ny Korira.


Léa Fandresena
Tafita amin'ny tanjona irina saingy maro ny namana tsy afaka nijery ny AFOM-POEZIA kanefa mankafy ny sanganasanao. Mba asehoy santionan'ny talentanao ato hoe izy ireo?

Jaonary
Ity àry, tononkalo iray anisan'ny nankafizin'ny olona tao.

TIAKO

tiako ho ahy irery
ny masonao mijery
fa nambabo ny fanahy,
nefa aleoko ny ahy,
fa raha tsy nisy ny ahiko
tsy tazako ny anao.

tiako indrindra iky
ny molotrao mitsiky,
sariaka menafify,
nefa aleoko hoy aho;
aleoko ihany ny ahy
satria raha tsy nisy azy
tsy ho fantatrao akory
fa: tiako ange ianao e!

tiako ny fitiavako,
izay vao tiako ianao
satria raha tsy nisy azy
tsy ho tiako mihitsy ianao.

JAONARY


Léa Fandresena
Hamaranana ny tafa isika raha sitrakao. Manana teny ambara ve ianao momba ny literatiora ankehitriny?

Jaonary
Mihamiroborobo ny literatiora ankehitriny. Tsapa izany amin'ny hamaron'ny mpanoratra sy mpanakanto ankehitriny. Etsy ankilan'izany anefa dia tsapa fa mihen-danja ny fahaizana manoratra sy nyfiezahana manaja ny tsipelina raha oharina amin'ny taloha.


Léa Fandresena
Ary ny vahaolana?

Jaonary
Tokony hamaky boky maro ny mpanoratra ary koa tokony hifandray sy hianatra amin'ireo mpanoratra zoky ankehitriny.


Léa Fandresena
Marina ny sosokevitrao izay anentanana ny rehetra. Mankasitraka anao izahay nivahiny teto.Manantena ny fahatongavanao matetika ary mirary soa ho anao amin'izay atao.

Jaonary
Mankasitraka ny poetawebs! Ho ela velona anie ny kanto malagasy.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 01/09/2016