Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

01 Septambra 2016

VELO, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Mampiantrano an'i Velo ato amin'ny Pôetawebs i Nary, filohan'ny sampana Havatsa ao amin'ny renivohitry Vakinankaratra. Izy roalahy ireo moa dia anisan'ny vy nahitana an'io sampana io ary i VELO no filoha voafidy voalohany tao tamin'ny 2009. Poeta azo lazaina ho zokiny i VELO, poeta tena mpikanto tokoa ary efa nitana andraikitra tao amin'ny birao foiben'ny Havatsa.

NARY
Faly mampiantrano anao ny Poetawebs. RAVELOSON Richard no tena anaranao, ary VELO kosa no ahafantarana anao eo amin’ny sahan’ny soratra. Azonao lazaina anay ve ny nahatonga anao ho mpanoratra sy ny fotoana nidirana teo amin’io sehatra io ?

VELO
Voalohany aloha dia mamelà ahy ianao hiarahaba antsika rehetra mpitsidika ity Tranonkala ity sy haneho ny hafaliako asainareo eto tahaka izao. Tsy kisendrasendra ny nahatonga ahy ho mpanoratra fa nisy antony manokana. Mbola zaza vao fito taona aho dia efa nilona sahady tamin’izany hoe zava-kanto izany : nisy grapho phone izay tao an-tranonay ka isaky ny avy miasa i Papa dia mandefa ireo hira nalaza tamin’izany. Taona 1950 izany, nampalaza an-dry Ossy, ry Odeam Rakoto, ry Ludger, Gabby sns. Nifantoka sahady tany am-parahatoko tany ny antsoina hoe kanto sy mendrika. Niandry fotsiny ny taona 1981 izany mba hivelarany.  Teo no nanomboka namoahako ireo "Kalo tosaky ny fo" izay tonga sesilany ka tsy nitsahatra intsony.


NARY
Azo lazaina ve izany hoe ny fiainanareo tao an-tokantrano no tena nampitsimoka ny talenta tao aminao ?

VELO
Anisany izany. Mampianatra tokoa ny hita sy re eo amin’ny sahan’ny tontolo iainana...


NARY
Raha i Velo no asaina miresaka ny asasoratr’i VELO, ahoana no fomba iresahany azy?

VELO
Feno 35 taona tamin’ity taona ity ny nirotsahako teo amin’ny kianjaben’ny haisoratra. Tsapako ary fa raikitra adidy aho ka niezaka noho izany mba tsy ho voapentin’ny kitoatoan’ny tsy kanto ny diam-peniko. Tsy tiako ny miteniteny foana satria tsy kanto izany amiko. Tsy hoe rehefa angolaina amin’ny feo mitaraindraina sy feno fihetseham-po akory ny voasoratra dia kanto avokoa. Mety ho adi-rima fotsiny izany indraindray. Kendrena mba ho tena zava-kanto vita amin’ny teny no atao. Mampisandratra rahateo izany. Anisan’ny nalaiko ho filamatra ireo mpanakanton’ny soratra grika, latina, romantika... sy ireo kalaza teo amin’ny soratra teto an-toerana.

Nandalina manokana momba ny "stylistique" sy "versification" malagasy, anglisy, frantsay aho.


NARY
Dia manoratra amin’ireo teny telo ireo ve i VELO?

VELO
Manoratra amin’ireo teny telo ireo tokoa aho... Fa "Andrianiko ny Teniko, ny an’ny hafa koa feheziko" hoy ilay Zokibe Filoham-boninahitry ny HAVATSA-UPEM mpiara-miasa akaiky taminay dia i RAHAINGOSON Henri izany. Marina amiko koa io teniny io.



NARY
Manahoana tokoa i VELO sy ny Fikambanana mpanoratra ?

VELO
Tamin’ny fotoana iray dia niditra tao amin’ny Faribolan’ny mpanoratra SANDRATRA aho rehefa nahafantatra ny fisian’io Faribolana io. Ary taty aoriana kely dia niditra tao amin’ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy HAVATSA-UPEM, tamin’ny taona 1997 nakalazana ny faha-45 taonan’io Fikambanana io, ary dia tao anatin’ny "Andiany faha-45 taona" araka izany.


NARY
Dia lasa tompon’andraikitra iray tao amin’io Fikambanana io ianao; azonao lazaina fohifohy ve ny amin’izany andraikitra notananao izany?

VELO
Mpikambana tsotra aho tamin’ny voalohany. Dia avy eo napetraka ho Filoha lefitra misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany tao amin’ny Foiben’ny HAVATSA tao amin’ny Rarihasina izany (2002-2008). Nony avy eo nifindra fonenana taty Antsirabe, dia nanorina ny Havatsa-Upem Sampana Antsirabe izahay tamin’ny 2009. Izaho moa izany no Filohan’io Sampana io nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’ny 2015.


NARY
Efa namoaka boky ve i VELO?

VELO
Amboara enina no efa navoakako, hatreto aloha. Mirakitra tononkalo miisa 140 any ho any izy rehetra ireo. Na izany aza anefa tsy mihambo ho mahay na malaza aho: anjaran’ny mpamaky ny mitsara sy manome ny heviny momba ny soratra navoakako. Ary tena ilaina izany mba hivoarana hatrany.

Efa nisy mpianatra roa teny amin’ny oniverste nisafidy ny tononkaloko nanaovany Tohan-tsikaroka mba hahazoana ny mari-pahaizana "Maîtrise es lettres Malagasy" tamin’ny taona 2006 sy tamin’ny taona 2013.


NARY
Rariny kosa angamba raha mba ametrahanao sanganasa iray eto na mba ho andran-tsira fotsiny aza ho an’izay mbola tsy nahalala ny asasoratrao.

VELO
Marina loatra! Tononkalo iray ho an’ny mpamaky sy ny mpitsidika ity Tranonkalo ity.

FARA MASOANDRO

Eny lavitra eny ilay fara masoandro,
No mikopaka injato ilay embon-ko rava,
Ditsihin’ny tsiahy ilay be handrohandro:
Mahatsiaro ny tiana e! ka manina lava.


Io ilay taratra hariva mirefa hilefa,
Ilay fara masoandro mitsinjo maraina,
Ny vetsoko kosa mandady fiantefa,
Toa tsy hahatratra ilay vahatry ny aina.

 

Dia nivalaketraka amoron’ny ony,
Nijery ny fara masoandron’ny tany
Ilay nofo torovan’ny fo tsy mitony,
Te hihendrina avo hiampita mankany.

 

Nefa…
 

Tsaroako malemy ny izaho tontolo,
Toa fara masoandro mandao moramora,
Ny hery ao anaty toa lasa daholo:
Gorera ny saina, ny fo goragora;

 

Fa lasan’ny fara masoandro nidiy
Ny tsarako sisa mba fanantenana,
Izany tokoa ve no anjara tandrify?
Leon-tsorisory aho ka nody an-tanàna.

Antananarivo, faha 05 Septambra 2004


NARY
Misaotra anao amin’ny tononkalo. Eto am-pamaranana dia marihiko fa nomena ny Mariboninahitra "Officier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture" ianao tamin’ny 2012. Tsara ihany koa ny mampahafantatra eto ireo boky navoakanao:

- NY KALON’NY FOKO (2000)
- IREO HIRAN’NY TAONA (2001)
- ANTHOLOGY (2002)(English)
- ONJAN-KALO NOTSONGAINA (2008)
- KALO TOSAKY NY FO (2011)
- KALOKALO ANDRAREZINA (2016)

Dia misaotra an’i VELO nanaiky nivahiny teto amin’ny Poetawebs. Mino aho fa mbola hiverena eto ianao rehefa misy vaovao tokony hampitaina eto. Sao dia misy teny farany tianao hapetraka amin’izao fandalovanao eto izao?

VELO
Tsetsatsetsa tsy aritra kely fotsiny hoe: amiko tsy izay te hanoratra sy te hihirahira akory dia mpanakanto avokoa; ilaina ny talenta, ny fikarohana ary ny fandalinana miampy ny fahaiza-mikajy mba ho "hafa kely" fa tsy "hafahafa" ny zavatra atao ka ho azo antsoina hoe sora-kanto.

Dia misaotra anareo nanasa ahy teto ka nahafahako nizara izay kely mba azoko nozaraina.


NARY
Ianao no tena isaorana. Mahavità be amin’ny fanandratana ny Tenintsika.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/09/2016