Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

17 novambra 2016

TOJO NY FANANTENANA, VAHININ'NY POETAWEBS

Poeta vehivavy tanora dia tanora indray no vahinin'ny Poetawebs. Efa tsapa anefa ny zotony ao amin'ny tontolon'ny poezia. Handray anjara amin'ny hetsika iray zy ato ho ato ka nahasarika ny tranonkalanao hitapatapakahitra aminy. Tojo Ny Fanantenana no anarany.


Lea Fandresena
Faly miarahaba anao Tojo Ny Fanantenana tongasoa eto amin'ny tranonkala Poetawebs. Miarahaba anareo mpisera ihany koa izahay.

Tojo Ny Fanantenana
Faly miarahaba anareo ato amin'ny "Poetawebs" ary faly ikopa-tanana ny mpanaraka sy mpankafy tononkalo koa.

Lea Fandresena
Maro be tokoa ireo namana maro mpanoratra ka anisany ianao. Iza tokoa àry no vahininay anio?

Tojo Ny Fanantenana
Eny, Tojo Ny Fanantenana, izay no fahafantaran'ny rehetra ahy aloha hatreto.

Azo lazaina hoe tanora kely ve? Tsy haiko aloha fa 19 taona sy herinandro aho izao ary mbola mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo eny, ao anatin'ny lalam-piofanana "Malagasy".
Mazava ho azy fa mbola tsy miasa fa ankoatra ny fianarana dia tia mamonjy hetsika ara-java-kanto ny tenako, indrindra moa fa resaka poezia io. Tonga mavitrika e!!!

Lea Fandresena
Ankasitrahako! Mirary anao ho tafita amin'ny fianarana izay ataonao fa sady mandala ny maha-malagasy koa ianao no mpanoratra. Tantarao hoe ny lalana nolalovanao momba io soratra io?

Tojo Ny Fanantenana
Raha ny lalana vita aloha hatreto dia mbola tsy lasa lavitra e! 5 taona lasa izay no nandraisako ny penina hamoahana aingam-panahy. 2 taona taorian'izay vao sahy nitsofoka hifanerasera sy hiara-hianoka ao anatin'izany hoe "habaky ny poezia sy ny tontolony" izany.

Lea Fandresena
Maro ny seho efa nahitana anao. Afaka mamintina izany ve ianao?

Tojo Ny Fanantenana
Eny, nanomboka niseho an-tsehatra voalohany aho tamin'ny herintaona toy izao, hetsika nankalazana ny tsingerintaonan'i Nalisoa Ravalitera io, nitohy tamin'ny hetsiky ny Faribolana Sandratra tao amin'ny CGM ary dia CEMDLAC  no sehatra nanohizana ny lalana avy eo, antenaina ny mbola ho fitohizan'izay.


Lea Fandresena
Inona no lohahevitra voizinao amin'ny tononkalo? Tafiditra anaty fikambanana ve ianao?

Tojo Ny Fanantenana
Manavanana ahy ny nanoratra tononkalo nandritra izay dimy taona izay fa tamin'ny niandohan'ito taona ito dia nanomboka nirona tamin'ny fanoratana sombin-tantara aho, ary mpikambana ao amin'ny FMMS aho.


Lea Fandresena
Afaka manome santionany amin'ny asa soratrao ve ianao?

Tojo Ny Fanantenana
Ito tononkalo iray ito no anisan'ny tiako indrindra amin'ireo izay voasoratro satria nitondra tantara tsy haiko hadinoina hatramin'izao.

         OMALY
nandalo teto ianao omaly
kanefa tsy nabanjinao akory
ny maso in-dray mipy
hanopy 'zato tavako...

(...)

Ny tohiny angamba ho hitanareo tsy ho ela any anaty boky any.


Lea Fandresena
Hihi! Mampilendalenda! Niresaka boky ianao teo satria misy hetsika hotanterahinareo ato ho ato.


Tojo Ny Fanantenana
SANGODIM-PITIA... io ny hetsika handraisako anjara, ny antony hoy ianao dia tsy  voafaritro loatra aloha hatreto fa ny azoko ambara dia tsotra ihany: voafidy aho hiantsa ao satria voafatotry ny ra iray tao anaty poezia izaho sy ny tompon'io hetsika io, fato-maty eo anivon'ny literatiora.


Lea Fandresena
Misy azonao ambara momba ny lohateny ve? Firy ianareo no handray anjara?

Tojo Ny Fanantenana
Ny teny arosoko voalohany angamba dia hoe tongava ny alarobia 23 novambra ho avy izao amin'ny 2 ora sy sasany, ao amin'ny CEMDLAC Analakely, seho izay iarahana amin'i Anyah Andriamampianintsoa.

Araka izany hoe "sangodim-pitia" izany dia azontsika an-tsaina sahady angamba fa resaka fitia no holalaovina ao.
Dimy mianadahy izahay no hamelona ny sehatra amin'ny endrika hafa tanteraka.
Raha ny sangan'asa indray dia ho hitantsika anaty CD arahina valonana ny tononkalo. Hiavaka tanteraka ny seho fa tongava.


Lea Fandresena
Iza avy ary no handray anjara e?

Tojo Ny Fanantenana
Araka ny voalazako tetsy ambony hoe hiavaka ny hetsika amin'io 23 novambra io, ary nanasana ny Tarika Nantenaina hanafana io takariva io.
Ankoatran'i Anyah izay mpandray anjara fototra ao amin'ny antsa dia manampy azy eo i Mina Ilarion, i Tojo Ny Fanantenana ( izay renao anaty ny horonam-peo sangodim-pitia), i Sento ary i Zara Ainga manampy amin'ny fiantsana sy ny fanomezana aina ny sehatra.

Ny fivoahan'ny tononkalo izay niniana natao anaty kapila mangirana mba hiavaka amin"ny mahazatra dia manentana anao sahady hanjifa sy hianoka fa hahazo fihiny tokoa ianao.
Ny tontolon'ny seho an-tsehatra angamba... ao isika no hahita azy araka ilay fitenenana hoe mba "tsy ampoizina" e!


Lea Fandresena
Misaotra tompoko! Misy fisarihana hafakely io seho karakarainareo io. Ahoana izany?

Tojo Ny Fanantenana
Tsara fipetraka iny fanontanianao iny. Lalao kely nomanin'i Anyah izy io, misy fanontaniana maromaro  izay efa nalefany tao amin'ny rindriny Facebook efa andro maromaro lasa izay, izay mahavaly betsaka amin'ireo fanontaniana ireo dia mahazo loka amin'ny andron'ny fampisehoana, izany hoe arakaraky ny hamaroan'ny valim-panontaniana ny loka ho azo. Mahafinaritra be io fa manentana antsika handray anjara.


Lea Fandresena

Hamaranana ny resaka isika. Ahoana ny fahitanao izany hoe vehivavy poeta izany? 

Tojo Ny Fanantenana
Ataoko angamba fa mivelatra amin'ny sehatra maro ilay voambolana iray hoe "Miralenta". Raha amiko manokana aloha dia hireharehako ny talenta izay nomena ahy, misy ihany ny olana mahakasika ilay siosion-dresaka hoe "ny poeta dia mpidoroka zava-mahadomelina".

Tiako ny mampahafantatra antsika fa io poezia io dia anisan'ny zavatra tena mahadomelina tsy tokony asiana fangarony intsony. Raha ny vitan'ny lehilahy ve dia tsy ho vitan'ny vehivavy. Tsy ilay midoroka eto no tiako ambara an!

Maro ny vehivavy misongadina teo amin'ito "Soratra sy ny tontolony"ito ka manantena ny ho lasa alavitra amin'izany ny tena na dia efa maro sahady aza ny olana efa nosedraiko.

Lea Fandresena
Ahoana fahitanao ny firoboroboan'ny asa soratra, dia mahaliana ny olona ve?

Tojo Ny Fanantenana
Raha ny fankafizan'ny olona kosa dia hitako fa efa mihaliana amin'ny resaka poezia ny olona, indrindra fa ny tanora, saingy resaka tiako hatsipy hoe rehefa tsy ao aminao ny talenta dia aza mitetateta fa manimba ny hasin'ilay kanto.


Lea Fandresena
Tsara ny fanehoanao hevitra fa dia mankasitraka anao nivahiny teto.
Tonga koa ianao Anyah ka dia miarahaba anao amin'izao fandalovana tsy nampoizina izao. Hamafiso kely ange raha tsy mahadiso ny fandaharam-potoana.


Anyah
Ny fandaharam-potoana dia mitsinjara toy izao. Amin'ny 2 sy sasany ny fidirana amin'io 23 novambra io ary misy ny atsapaka izay efa nampanantenaina anareo mpankafy sy mpanaraka ny literatiora. Marihina fa izay nandray anjara tamin'ny fanontaniana napetraka ihany no mandray anjara amin'ny atsapaka. Manankery hatramin'ny 15 novambra ny famaliana ny fanontaniana.  Manentana anareo ho avy maro fa hiavaka ny fotoana ary izahay efa vonona ary vonona ny hanome ny tsara ho anareo. Mankasitraka indrindra tompoko ary mirary soa!

Lea Fandresena
Mankasitraka anareo Tojo Ny Fanantenana sy Anyah ary mirary fahombiazana feno ho an'ny hetsika.  Mandra-pihaona!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 18/11/2016