Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

06 febroary 2017

MIARY FANAHY, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Pôeta tovovavy iray avy any amin'ny faritr'Itasy iny no vahinintsika eto amin'ny tranonkala pôetawebs amin'izao fotoana izao. Tsy iza izany fa i Miary Fanahy. Havatsa Upem, sampana Arivonimamo izy, ary efa tsy tena manavao ny mpiseran'ny Pôetawebs ny sariny satria tsinjo ao amin'ny tatitry ny ZARAFANAHY andiany fahenina.


Ikaloyna
Miarahaba anao Miary Fanahy Fanahy tonga soa eto aminay, ambarao aminay hoe iza izany Miary Fanahy izany?

Miary Fanahy
Nambinintsoa Rakotoarinarivo ny anarako, antsoina hoe Miary Fanahy, teraka ny 19 septambra 1995 tany Port Bergé, monina ao Arivonimamo, nianatra matematika teny Ankatso, avy eo niofana tamin'ny toeram-piofanana INFA Androhibe ka mianatra momba ny statistika.


Ikaloyna
Iza no pôeta ankafizinao?

Miary Fanahy
Ny pôeta ankafiziko indrindra dia J.J. Rabearivelo, izay anisan'ny tena nanosika sy namoha ny aingam-panahiko hiaina pôezia.


Ikaloyna
Oviana i Miary Fanahy no nanomboka nanoratra?

Miary Fanahy
Tamin'ny 2010 no nanomboka nanoratsoratra fa ny taona 2014 vao niditra tao amin'ny fikambanana Tsanta Antananarivo sy Havatsa Upem Arivonimamo.


Ikaloyna
Mihetsiketsika ianareo Havatsa Upem ao Arivonimamo ao tato ho ato. Manao ahoana ny fahitan'ny olona an'izany atao hoe pôezia sy tononkalo izany any?

Miary Fanahy
Maro ny olona no mbola diso hevitra momba ny pôezia sy ny tononkalo eo amin'ny lafiny famaritana sy fanehoana azy. Misy talenta maro tokony hotrandrahina anefa ao Imamo ka izany no tianay hovelarina sy hampitaina amin'ny alalan'ny hetsika tsangan-tononkalo mitondra ny lohateny hoe ADOLANTSENTO.


Ikaloyna
Rahoviana izy io?

Miary Fanahy
Ny alahady 26 febroary 2017 ao amin'ny Tranompokonolona Arivonimamo manomboka amin'ny 2 sy sasany.


Ikaloyna
Adolantsento ny lohateny, volana febroary ny hetsika, toa manimanitra "fitiavana", sa tsy izany Miary Fanahy?


Miary Fanahy
Eny izay mihitsy, sady fankalazana ny faha 15 taonan'ny Havatsa Upem Arivonimamo sy ny faha  65 taonan'ny Havatsa foibe koa io.


Ikaloyna
Fety 3 sosona izany! Hisy fanapahana koba ve?

Miary Fanahy
Tongava foana fa hisy foana ny mamy azo aroso. Natao ho an'ny sokajin-taona rehetra a!


Ikaloyna
Vazivazy iny fa hanao ahoana ny endriky ny seho àry?

Miary Fanahy
Tsangan-tononkalo nosoratan'i Hobiana (filoham-boninahitry ny Havatsa Upem Arivonimamo), izy io. Izany hoe tononkalo maromaro narafitra ho tonga tantara iray, ahitana fizarana 5 miavaka tsara izay maneho ny fivoaran'ny lokom-pitiavana samihafa hita eo amin'ny mpifankatia.
Raha tsorina dia miainga eo amin'ilay fitiavana fotsy madio mangarahara, ary dia miafara amin'ilay fitiavana mena miredareda kanefa tsy azo anoarana intsony. Tahatahak'izay ny fizotrany fa any isika mahita ny tena tsirony.

 

Ikaloyna
Aleo koa mahita toy izay itantarana !

Miary Fanahy
Dia manantena antsika mpankafy rehetra ho avy any aminay any Arivonimamo any amin'io alahady 26 febroary io.

 

Ikaloyna
Mirary soa ho anao Miary Fanahy, ary mampitondra ny firarian-tsoa ho anareo any Arivonimamo any izahay eto amin'ny Pôetawebs.

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 07/02/2017