Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (Toetra.Ràja)

21 janoary 2017

Tapatapakahitry RIVA tamin'i Doda Razafindravelo

Hankalaza ny faha 18 taona nanoratany i RIVA rahampitso 22 janoary 2017.

Manome fotoana ireo mpakafy ny poeziany izy ao amin'ny CEMDLAC Analakely ary nitapatapakahitra tamin'i Doda Razafindravelo amin'ny anaran'ny PÔETAWEBS.

Voaresaka tao ny lalana nodiavin'i Riva hatramin'ny nanombohany nanoratra. Nambarany koa anefa fa na dia eo aza ny fahafahan'ny maro mampiely asasoratra amin'ny tambajotra sosialy dia misy tokoa ny ahiahy azo asongadina. Tsy inona izany fa ny fielezan'ny tononkalo vao matoy na feno fahadisoana ara-tsipelina izay malaky voarain'ny fiaraha-monina ka zary mety ho lasa modely.


Mahaliana tokoa ny tapatapakahitra fa tsindrio ny sary ahafahana mihaino ny feony.
Mihainoa finaritra tompoko.

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com