Créer un site internet

varavarana

poeta_malagasy

DadaRabe - 30 jona 2009

Miarahaba anao DadaRabe ary misaotra anao nanaiky hitapatapak'ahitra amin'ny tranonkala poeta.webs. Tsy zoviana eto amin'ny sehatry ny serasera intsony ianao sy ny sanganasanao satria milaza ny momba anao ny taila anarivony amin'ny teny malagasy indrindraindrindra. Fantatry ny olona maro koa ny boky navoakanao "Dia nisy ny mazava".  Mahavariana tokoa ny fomba famoahanao amin'ny endrika kanto ny vetsovetsom-pon'ny olona maro sy ny zava-misy amin'ny fiainana andavanandro. Mahaliana ny tranonkala "poeta.webs" sy ireo mpamaky ny tranonkala araka izany ny hitafatafa aminao. DadaRabe, azonao hazavaina ve ny anton'ny nisafidiananao an'izany anarana diam-penina izany ?

Hasina no anaran’ny zanako. Nolazaiko izy fahakely fa Hasina RABE no anarany. I dada izany hoy izy Dada RABE. Eny hoy aho : « DadaRabe ». Dia hary teo ilay DadaRabe.

  • Fanontaniana diso mahazatra fametraka amin'ny mpanoratra : inona no nahasarika anao hanoratra ary nanomboka oviana ?

Mpamaky tononkalo aho satria feno boky tononkalo malagasy tao an-trano. Mpampianatra malagasy ny reniko. Efa tany amin’ny 1983 tany aho no nanoratra. Feno ny kahie, ary indraindray ny…dabilio tany an-dakilasy (voatery fafana foana ndrao…)

  • "ANDRIAMANITRA - TANINDRAZANA - FIANAKAVIANA " no devizy vohizinao araka ny hita amin'ny tranonkala maro. Azonao hazavaina fohifohy ve io ?

Mino an’Andriamanitra. Izy no namorona.  Zava-dehibe ny tanindrazana satria izy dia harentsika lehibe ety ambany masoandro. Ny fianakaviana no vato nipoirana sy mbola hiafarana.

  • "Poety nety" ianao, araka ny voalazanao ombieny ombieny. Azonao tanisaina ve ireo andraikitra sahaninao eo anivon'ny aterineto ho fampandrosoana ny haisoratra malagasy ?

Andraikitra eo anivon’ny aterineto ? Manoratra tononkalo, manao blaogy amin’ny teny malagasy, mandray anjara anaty fikambanana, « hanokatra gazety » aterineto atsy ho atsy.

  • Mahatalanjona tokoa ny lalana nodiavinao teo amin'ny fianarana sy ny asa fivelomana. Tsy nahasakana anao tsy hahaforona tononkalo betsaka sy lalin-kevitra anefa izany. Inona loatra re ireo tsiambaratelo ahavitanao izany zavatra betsaka izany ?

Ny fianarana ? Rehefa avy nampianarina dia mampianatra. Ny asa fivelomana ? Mampivezivezy tokoa nefa ny adididy tsy an'olon-dratsy.  Ny tsiambaratelo ve ? Mino ny tanjoko. Manantena ampitso sambatra. Tiako ny asako, tiako ny olona manodidina ahy.

  • Ny tononkalonao "Vilam-bava" dia toy ny milaza fa tsy eny anjorom-bala akory ny poeta malagasy manoloana izao raharaham-pirenena mavaivay izao. Maningana amin'ny poeta ve ianao sa tena manana ny toerany ny poeta amin'izao kihon-dalana diavin'ny firenena izao ?

Tsy maningana angamba. Ny anjara toeran’ny poety dia ny miventy an-tononkalo izay saintsainin’ny olona any an’eritreriny mangina ary koa ireo lazainy am-bava mitonona.

  • Azonao atao koa ve ny manonona poeta malagasy vitsivitsy ankafizinao na taloha na ankehitriny ?

Hatramin’ny elabe JJ Rabearivelo. Eo koa i Dox. Rado. Ny ankehitriny dia maro nefa aleo tsy manonona ndrao misy tsy voatonona

  • Farany, afaka manonona andinin-tononkalo iray izay tena tianao amin'ny sanganasanao ve ianao ?

“Hatramin’ny nahalalako anao…
Dia niova ny tontoloko, niova ny marainako ;
Niova ny fisainako, niova koa ny fiainako ;
Niova ny angolako s’ireny tambitambiko ;
Niova ny masoandro sy ny endriky ny lanitro ;”

Nalaina tao amin’ny boky "Dia nisy ny mazava".

  • Tsy hitazona anao ela ny tranonkala poeta.webs DadaRabe fa dia manantitra ny fisaorana anao tamin'izao dinidinika izao. Mirary soa.

Misaotra ny poeta.webs.

Rohy ahitana ny mombamomba an'i DadaRabe
http://dadarabe.blaogy.com/
http://www.freewebs.com/dadarabe/
http://tritriva.unblog.fr/2009/03/13/dadarabe-poeta-nety-malagasy-pour-un-lendemain-meilleur/



poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety


Date de dernière mise à jour : 05/07/2021