Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

18 martsa 2017

DIAMPENINA, VAHININ'NY POETAWEBS

Rehefa avy nitety ny lanitr'i Amoron'i Mania ny tapatapak’ahitra tamin’ity taona 2017 ity ka niaraka tamin’i Lova, avy eo nitsambikina lavitra tany Washington niaraka tamin’i Soamiely, nentin’i Miary Fanahy tany amin’ny faritr' Itasy dia nihoatra nankany Londres tany niaraka tamin’i Volatiana Rahaga, niverina teto Iarivo niaraka tamin’i Aloky Ny Lasa sy i Andry Tsifakoina, dia handeha hitsidika indray an'iny faritra Alaotra Mangoro iny isika miaraka amin’i Diampenina avy any Moramanga sy Ikaloyna Vony (Pôetawebs).


Ikaloyna
Miarahaba anao Diampenina

Diampenina
Miarahaba antsika rehetra mpisera gôna a!


Ikaloyna
Ampanofinofiso anay aloha izany Moramanga izany e!

Diampenina
Moramanga? Tanàna mahafinaritra, handalovanao matetika raha ho any Toamasina any ianao, na raha hitsidika any Antsihanaka koa. Mahatamana ny eto, sarotra hadinoina ary miandrandra fandrosoana ! Izay ilay Moramangako...


Ikaloyna
Nanao ahoana ny fiantraikan’ny rivo-doza Enawo teo iny aloha?

Diampenina
Maromaro ny trano lasan’ny rano, tao ny rava, be ny toerana dibo-drano fa efa eo am-panarenana ny simba izahay aty amin’izao.


Ikaloyna
Mampalahelo tokoa izany!
Fa izay no ela : iza moa izany Diampenina izany?

Diampenina
Nisedra RAKOTONDRASOARIVELO no tena anarana, fantatra amin'ny solon'anarana "Diampenina". Teraka ny 04 martsa 1995, tao Andaingo. Ambatondrazaka no tena fiaviana saingy nandranto fianarana taty Moramanga dia tamana teto.


Ikaloyna
Inona no nahatonga ny hoe Diampenina?

Diampenina
Ny antony manokana nisafidianana io solon'anarana io dia tsotra: miaina ny zava-misy aloha, avy eo mahatsapa zavatra, manomboka tonga ny "ainga" ary manesika ny tanana handray ny "penina" amin'izay; rehefa voarafitra ny soratra izay nateraky ny "ainga" dia io fa nisy ilay "DIAMPENINA". Raha fintinina izany dia toy izao: na ny alahelo, na ny hafaliana, na ny tebiteby, na ny tomany, na ny jalinao mangina, sy ireo tranga hafa izay voasoratry ny tanana, ny fitiavan-tanindrazana, ny ady pôlitika, ny tolona hatao, sns., dia voasokajy ao anatin'ny "diampenina" avokoa.


Ikaloyna
Penina tsy mety ritra ve?

Diampenina
Izay mihitsy!


Ikaloyna
Inona no nahatonga anao hanoratra ? Nolovaina ve ilay pôezia?

Diampenina
Efa hatramin'ny faha dimy ambin'ny folo taona aho no efa nanoratra saingy mbola hita taratra teny ihany ny fahazazana tao anatin'ny asa soratra natao. Mbola niezaka nampiady sy nanenjika rima fotsiny tamin'izany; "nanoratsora-poana" hoy ilay mpanoratra iray izay. Vao herintaona teo ho eo izao no tena niverina tato anaty ny kanto malagasin'ny literatiora indray ny tenako. Volana maromaro efa hitambatra ho taona iray no nahitana an'i Diampenina tao amin'ny "tambazotran-tserasera" (facebook); efa nizara tononkalo maromaro tao sy sombin-tantara ihany koa.

Raha ny hoe "havana pôeta" indray : tsy nisy fianakaviana mpanoratra hatrizay ka hatramin'izao fa efa tao anaty " ra " mihitsy ny fankafizana ny literatiora malagasy dia rafitra nanoratra.


Ikaloyna
Talenta nohamafisina tamin’ny fianarana dia indro mitombo ka lasa kanto. Tao Moramanga izany no nibeazanao tamin'ny soratra? Tsy mena-mitaha amin'ny renivohitra hafa ve ny literatiora any?

Diampenina
Mazava be fa teto no nibeazana tamin'ny asa soratra. Nisy fotoana nanginana kely izay fa tsy tena hay hoe inona no antony tamin'izany fa natoritory ny "ainga" angamba!

Raha hiresaka momba ny literatiora eto Moramanga indray dia hita fa nanomboka tamin'ny seho " hikitika ny laingony 1 " vao nifoha sy nihanahazo vahana indray ny fankafizan'ny olona ny literatiora malagasy. Somary nangingina izy talohan'izay mantsy. Asa, sahirana angamba ny olona ? Eo an-dalam-piezahana amin'ny famohazana sy fampitana ny kanto any amin'ny mpankafy mihitsy izahay mpanoratra zanak'i Moramanga amin'izao. Hita aloha hatreto fa namokatra ny hetsika natao e, manomboka miverina amin'ny tontolon'ny literatiora malagasy ny olona.


Ikaloyna
Ary misy fikambanana pôeta ve any?

Diampenina
Efa taona maromaro lasa izay no nandalovan'ny mpikambana sasany avy tao amin'ny "Faribolana Sandratra" nitsidika ny "lycee Razafindrabe Victorien" taty, izay fotoana nananganana ny "Faribolana Sandratra sampana Moramanga" tamin'io. Saingy araka ilay efa voalaza teo aloha dia somary natoritory ny olona hatramin'izay. Ny fikambanana pôeta fantatro eto aloha amin'izao dia ny "Tsanta".


Ikaloyna
Ianareo izany no hamoha indray ny matory. Adidy tsara! ka dia mampahery anareo. Manana vina heverinareo hatao mba hamelona ny tontolon'ny literatiora ve ianareo ato ho ato ao Moramanga?

Diampenina
Vinavina aloha hatreto dia izay hamoha ny natory izay. Amin'ny alalan'ny antsa tononkalo aloha izao no hanjonoana ny fon'ny olona. Eo koa ny fanairana azy ireo amin'ny fiverenana hamaky boky literatiora amin'ny alalan'ny famoahana boky hataonay. Ankoatrizay efa misy ny fikasana novolavolaina hafa saingy mbola tsy holazaiko aloha.



Ikaloyna
Atao tsiambaratelo ve aloha ? lazao ary ilay ambaramaro e.

Diampenina
(mihomehy) Hisy tokoa ny antsa tononkalo hatao ato ho ato :
-Ny voalohany dia hatao any Antananarivo " Hikitika ny Laingony 2 " araka ny efa noresahin’ny namana Andry Tsifakoina teto iny, fa ny Sabotsy 25 martsa kosa dia aty Moramanga ny " Hikitika ny Laingony 3", izay hiarahana amin'i Naly Manjaka, Lokon-danitra, Rindrampanahy, Heloka, Varika Nyarovana ary Diampenina. Hetsika hatao ao amin'ny lycee Razafindrabe Victorien io, amin'ny 2 ora 30min ihany. Ireo rehetra ireo dia samy tsy misy vidim-pidirana.
Ary tsy ho latsa-danja amin’ilay atao any Antananarivo ilay hatao aty Moramanga.


Ikaloyna
Ary ny boky ve hisy amin'io?

Diampenina
Raha ho an'i Diampenina manokana dia efa misy ny boky voalohany nivoaka efa iray volana izay, nomeko ny lohateny hoe : "ILAY NOTIAVINAO" izy io dia sangan'asa voalohany narafitra ho tonga boky ary 60 pejy. Mizara roa ny boky ka ao amin'ny fizarana voalohany ny sombin-tantara mitondra ny lohateny hoe " SOMBINY " (tantarana tovolahy sy tovovavy iray nifanena tao anaty fiara, lasa raiki-pitia tamin'ilay zazavavy ity tovolahy saingy ny anao vavy efa manan-tompo. Teo no niantomboka ny safotofoto...)
Ary ny tapany faharoa kosa dia ireo tononkalo izay nofantenana manokana hirakitra alahelo, ranomaso, hakambotiana, fitia mangina, fisarahana..Miisa 32 izy ireo. Amin'ny 22 martsa no ho tonga ao Antananarivo ny boky.


Ikaloyna
Ho hita ao amin'ny CEMDLAC amin’ilay antsa voalohany ve ny boky?

Diampenina
Eny Ikaloyna! Marihiko eto fa mandritry ny antsa amin'ny 22 martsa ihany no hahafahana manjifa an'"ILAY NOTIAVINAO" amin’ny vidiny mirary.


Ikaloyna
Mpandray anjara avy any Moramanga avokoa ve ireo? Manao ahoana ny fihetseham-ponareo hiakatra izany hoe Antananarivo izany?

Diampenina
Zanak’I Moramanga avokoa izahay 4 dia Ny Aiko R., Feon'ny fo, Varika Nyarovana ary Diampenina, Andry Tsifakoina ihany no tsy ho avy aty. Ho ahy manokana aloha tena faly sahirana ihany manoloana io hetsika io satria sambany i Diampenina no hiantsehatra ao Iarivo izany; seho voalohany hataoko any Antananarivo io mantsy. Vahotra sy mangovitra kely ihany ny tena hanoloana olona maro be izay mpankafin'Iarivo amin'io nefa sahy milaza koa fa efa vonona hanolotra ny kanto ho an'ireo tonga ao rehetra. Tsy hiteny maro fa ao mahita azy!


Ikaloyna
Ny hanateran-kira indray ve no hamalana, horaisina am-pifaliana tokoa ianareo fa aza matahotra!

Diampenina
Misaotra anareo sahady ny amin’izany fa mahazo toky izahay!


Ikaloyna
Fa mahagaga ahy kely Diampenina, toa lehilahy daholo ireto izy ? Aiza ilay miralenta e?

Diampenina
Hihi! Safidy manokana natao mihitsy io noho ny antony tokana : fiarahanay zanak'i Moramanga miantsehatra io, saingy tsy misy tovovavy aloha hatreto niara-niombona taminay hikarakara hetsika toy izao ka noho izany dia tsy maintsy " adin'ny samy tovolahy " no hatao. Atsy ho atsy manantena fa hahita vehivavy hiara-hifarimbona.


Ikaloyna
Sao saro-kenatra kosa ary ny vehivavy pôetan'i Moramanga?

Diampenina
Hihi! Izay aloha no tsy haiko e ! Efa miezaka ny manaitra ireo manan-talenta izahay aty.


Ikaloyna
Mba tsetsatsetsa tsy aritra iny r’ireto a!
Fa, ianao eo amin'ny fiaraha-moinina na eo amin'ny fianakaviana, ahoana ny fandraisan'ny olona anao hoe pôeta ? Misy manko miteny hoe ireny pôeta ireny hono adaladala, mpandrevy, maditra...?

Diampenina
Eo amin'ny fiaraha-monina aloha misy tokoa ireo mihevitra hoe miavaka amin'ny rehetra ny tena e! Ny sasany aza miteny mihitsy hoe : "Tsia ! izaho tsy mahatoky anao fa pôeta ianao " . Saingy misy ihany kosa ireo mahatakatra fa mitovy amin’ny olona rehetra ihany ny tena. Raha ny fianakaviana indray dia ny manala eny foana no mbetika ataony. Mivazivazy, sns.



Ikaloyna
Mitovy amin'ny olona rehetra ihany ny pôeta hoy Diampenina teo, olom-pirenena manana adidy amin'ny mpiray tanindrazana aminy. Inona ny adidintsika eo amin'ny firenena araka ny hevitrao?

Diampenina
Manana adidy tokoa ny pôeta eo anivon'ny firenena satria izy no misolo tena ny hetahetan'ny olona tsirairay izay miaina ny zava-mitranga nefa tsy afa-manao na inona na inona. Ohatra fotsiny : raha misy ny tsy rariny mitranga eo amin'ny vahoaka, samy te hanao zavatra manoloana izany avokoa ny olona saingy ny pôeta no misolo tena azy ireo amin'ny alalan'ny asa soratra avoakany. Na ny fihetseham-po aza dia mbola ny mpanoratra ihany no sahy mamoaka ny miafina any aminy any nefa anie ka samy mahatsapa sy miaina izany daholo ny olona e ! Raha fintinina dia mpisolo vaika ny tsirairay ny pôeta satria sahy maneho ny heviny any anaty pôezia.


Ikaloyna
Marina izany satria moa tsy ny soratra tokoa ve no fitaovana nentin'ireo zokintsika toy ny V.V.S. sy ny M.D.R.M. nanehoana ny tsy rariny tamin'ny fanjanahan- tany ka nahatonga ny mpamaky ho tonga saina ? Tsy zavatra kely araka izany ny adidy iantsorohan'ny pôeta amin'ny maha olom-pirenena azy. Poleta hoy ilay namana iray izay ny pôezia, basy hoy ny hafa, ary angady hoy aho.

Diampenina
Izay tokoa!


Ikaloyna
Somary lavalava fa heverinay fa nahafinaritra ny fitsangatsanganana an- tsaina tany amin'iny faritra Alaotra Mangoro iny, nahasoa koa ny dinika nifanaovantsika tamin'i Diampenina izay pôeta avy any rahateo. Omeko ny vahiny ary ny famaranana ny resaka!

Diampenina
Hamarana ny tafa ny tenako, hafatra kely no tiako hampitaina dia izao: aza avela ho faty sy hosoloin'ireo kolon-tsaina vahiny ny literatiorantsika . Mazotoa mamaky boky ara-kolon-tsaina, asandrato ny maha malagasy anao. Farany, miandry anao ireo mpikitika ny laingony ny 22 sy 25 martsa ho avy izao.


Ikaloyna
Dia izay hafatra mafonja izay koa no anaovanay mandrampitafa ho anareo mpisera eto amin’ny tranonkala. Ny tranonkala pôetawebs moa dia miezaka mitety ireo faritra maro eran’izao tontolo izao ka raha misy vaovao momba ny pôezia malagasy tiantsika hampitaina dia aza misalasala mifandray aminay.

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com