Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

20 martsa 2017

ANDRY TSIFAKOINA, VAHININ'NY POETAWEBS

Maro, hono, ny hazo, fa ny fary no mamy indrindra. Maro ny vorona, fa ny railovy no tsara feo ary maro ny mpanoratra, fa i Andry Tsifakoina no nofinidin'ny tranonkala Pôetawebs ho vahinin'ireo mpiserany anio. Lea Fandresena, mpiara-mitakosina ato amin'ny Pôetawebs, no mitapatapakahitra aminy.

Lea Fandresena
Andry Tsifakoina, faly miarahaba anao izahay tonga soa eto amin'ity efitry ny tapatapakahitra ity.

Andry Tsifakoina
Faly miarahaba. Andry Tsifakoina, mpanoratra zandriny vao misandratra, monina eto Antananarivo.


Lea Fandresena
Misy azonao lazaina ve ny mombamomba anao mba ho tantara mipetraka ho an'ny taranaka?

Andry Tsifakoina
Fony fahazaza dia efa nanoratsoratra, nahalalana ahy tany an-tsekoly ny tononkalo, naniry ny ho lasa mpanoratra malaza sy hanana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny fanoratana. Fehiny, nofim-pahazazana ny ho lasa mpanoratra.


Lea Fandresena
Anaranao ara-panjakana ve io entinao amin'ny maha mpanoratra io?

Andry Tsifakoina
Ampahana anarana izy io fa Tsifakoina Andrianariveloson no anarana feno, nalaina avy ao ihany ny anarana maha mpanoratra.


Lea Fandresena
Efa ao anaty fikambanana ve ianao?

Andry Tsifakoina
Tsy ao anaty fikambanana aho aloha hatreto fa miaraka amin'ny namana mpanoratra maromaro ho mpanitsy sy mpanoro lalana.



Lea Fandresena
N
a dia mpanoratra zandriny aza ianao araka ny voalazanao teo dia inoana fa misy dingana vita azo atolotra.

Andry Tsifakoina
Ny dingana efa vita dia ny fifaneraserana tamin'ireo mpankafy ny asa soratro toy ny tany amin'ny lycée Ranohavimanana Norbert Ambatondrazaka, ary mbola mitohy ny hetsika toy ny antsa izay hatao ny 22 marsa ho avy izao, hiarahako amin'ireto namana mpanoratra ireto: Ny Aiko, Diampenina, Feon'ny Fo, Varika, izay tohanan'i Zara Ainga.


Lea Fandresena
Azonao ambara ve ny momba io hetsika ataonareo io?

Andry Tsifakoina
"Hikitika ny laingony 2" no anaran'ny seho, noforonin'i Zara Ainga. Mpanoratra maromaro no mampiaina io "Hikitika ny laingony" io, tahaka ny andiany voalohany efa vita teo aloha izay mpanoratra hafa ankoatra anay no nampiaina izany. Ny andiany faharoa no hosahaninay 5 mirahalahy izao.


Lea Fandresena
Nahoana tokoa moa no tsy hisy andriambavilanitra?

Andry Tsifakoina
Tsy misy antony manokana ny hoe tsy hisy andriambavilanitra fa izahay dimy mirahalahy no vonona aloha. Ny manaraka eo kosa dia hisy andriambavilanitra.


Lea Fandresena
Lazao amin'ny teny fohy hoe Andry ny mety ho endriky ny seho?

Andry Tsifakoina
Ny endriky ny seho dia elanelanin'ny dihy sy kalokalo.


Lea Fandresena
Ary misy boky atao fahatsiarovana ve amin'io?

AndryTsifakoina
Ny boky dia efa any am-bohoka fa raha vonona dia ho teraka amin'io hetsika io



Lea Fandresena
Ampahatsiahivo kely hoe Andry Tsifakoina ny toerana hanaovana ny hetsika?

Andry Tsifakoina
Ity ny fandaharam-potoana hiarahantsika, ny 22 marsa ho avy izao, antsa tononkalo ao amin'ny CEMDLAC Analakely, manomboka amin'ny 2 sy sasany hariva, tsy hisy vidim-pidirana izy io, anasana antsika rehetra ho tonga maro.


Lea Fandresena
Mirary soa ho anao dia manasa antsika mpiseran'ny Pôetawebs mba hifanotrona amin'izy ireo ary misaotra anao nampahafantatra ny seho hataonareo.

Andry Tsifakoina
Misaotra ny Poetawebs sy ny mpikarakara, isaorana manokana ianao Léa nampivahiny sy nitafatafa taminay, mirary soa anao, indrindra izahay Hikitika ny laingony 2.


Lea Fandresena
Eto am-pamaranana, afaka manolotra tononkalo kely hanandraman-tsira amin'ny seho harahinay ve ianao?

Andry Tsifakoina
Aleo fihavanana toy izay ady lava
Aleo orambaratra mivatra vety dia misava
Aleo tsikalakalam-bola no very tsy ho hita
Ny firaisantsika hina rarina ho tafita....
Mankasitraka!

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com