Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

04 aprily 2017

TAPATAPAK'AHITRA FAMOAHAM-BOKY NIKS ALOKA FANAHY

I Niks Aloka Fanahy no miantrano eto amintsika. Ny tena anarany dia ARIVELO Fanilo Harimiadana, mbola tanora, 23 taona, ary mbola mianatra. Nanomboka nanoratra ny taona 2005 izy ary ny marsa 2017 no mamoaka ny boky ANTSAN'NY TIA.

Ikaloyna
Miarahaba anao Niks Aloka Fanahy. Ahoana no nahatonga an'izay anarana izay?

Niks Aloka Fanahy
Ny tena marina dia anarana fiantsoan'ny namako ahy ny hoe Niks; Ny Aloka Fanahy indray dia ny vatako mazava ho azy. Ny vatana manko no tandindon'ny fanahy. Ny fanahiko no miainga mampanoratra ny vatako dia io tandindon'ny fanahiko io izany. Raha fintinina dia midika hoe endriky ny tontolo tsy alehan'ny vatako fa tongan'ny saiko no voarakitry ny hoe "Aloka Fanahy". Niks Aloka Fanahy mira vatana entin'ny fanahin'i Niks manoratra.

Ikaloyna
Efa manambady sa mitady sa efa misy fofony any?

Niks Aloka Fanahy
Mbola tsy manambady fa vao mitady angamba. Hihi!

Ikaloyna
Araka ny hevitrao, mety hanelingelina ny fanambadiana ve ny fanoratana?

Niks Aloka Fanahy
Tsia, nefa miankina amin'ilay hovadiana koa. Raha apetrany ho olana aminy io dia ho lasa olana foana. Fa raha arahiny amin'ny onjany dia inoako fa ho fahafinaretany aza.

Ikaloyna
Tokony ho poety ve ny vadina poety aminao?

Niks Aloka Fanahy
Tsara kokoa angamba raha hoe ny iray ihany no Poety e! Hazavaiko kely.
Tsara kokoa raha olona tsy dia mitovy toetra no mpivady e! Natao hifameno manko ireo. Sady raha samy variana manakanto izy roa dia mihahaka ny tokantranony.

Ikaloyna
Ao anatin’ny tontolon’ny pôezia ny poety sy ny fanambadiana a. Fantatra fa ao anaty fikambanana ianao. Hazavao hoe ny safidianao?

Niks Aloka Fanahy 
Mpikambana ao amin'ny HAVÀTSA-UPEM aho. Ny antony nisafidianako ny fikambanana dia betsaka :
- ao no tiako hitrandrahana ny teny malagasy,
- mahaliana ahy ireo atrikasa fanaony isan-taona hampianarana manoratra,
- maro koa ny mpanoratra efa zokinjokiny ao mba azoko anontaniana izay tokony halehako.

Ikaloyna
Fa misy tanora maro ao?

Niks Aloka Fanahy
Eny namana, ny ankamaroan'ireo mpikambana vao noraisina amin’izao dia tanora daholo.

Ikaloyna
Izay no ela, ahoana sy ahoana io bokinao vaovao io?

Niks Aloka Fanahy
Io boky io dia milohateny hoe ANTSAN'NY TIA. Boky misy hatramin'ny 78 pejy. Mihira ny fitiavana moa mazava ho azy.  A5 ny habeny. Ny fonony matevina sy miloko ary azo diovina amin’ny lamba mando raha misy loto ohatra.
Tononkalo daholo no hita ao.

Ikaloyna
Boky fahafiry tamin'ny navoakanao io? Nahoana no natao tononkalom-pitiavana avokoa?

Niks Aloka Fanahy
Boky voalohany io. Natao tononkalom-pitiavana io mba hahitana taratra ny maha ANTSAN'NY TIA azy, izany hoe izay ao am-pon'ny tia.
Fitiavana amin'ny lafiny rehetra no resahina ao.

Ikaloyna
Aiza no ahitana ny boky?

Niks Aloka Fanahy
Afaka mifandray amiko eto amin’ny “Facebook“ Niks Aloka Fanahy izay liana na miresaka amiko mivantana.

Ikaloyna
Mitondra fampandrosoana ve ny boky?

Niks Aloka Fanahy
Amiko aloha dia mampandroso tokoa ny boky e! Io no ahafahana mampita amin'ny tanora ny tena fomba fanoratra, ny tanora manko no hoavin'ny firenena. Nefa dia ny tanora mihitsy ankehitriny no simbain'ny fanatontoloana. Noho izany, mety hitarika tsikelikely ny tanora hiala amin’ny fanafohezan-teny sy ny fampiasana "u" sy "w" anaty teny malagasy ny fitiavany mamaky boky.

Ikaloyna
Araka ny fahitanao azy, mbola mazoto mamaky boky ve ny tanora amin’izao fotoana izao?

Niks Aloka Fanahy
Mbola maro ihany aloha ny tanora mandalo ao mamaky boky e!

Ikaloyna
Araka ny hevitrao, manimba sa manampy ny boky ny Facebook?

Niks Aloka Fanahy
Manimba ny teny malagasy ny Facebook raha ny fahatsapako azy. Raha amin’ny resaka boky indray dia manampy izy satria azo atao sehatra hifampizarana sy hivarotana boky.

Ikaloyna
Eny e, ny zavatra rehetra tsy maintsy misy lafy tsarany sy lafy ratsiny fa ilaina ny fahaizana mandanjalanja azy, isika izao dia ny facebook no ifankahalalana toy izao.

Niks Aloka Fanahy
Marina izany. Fa eto amin'ny Facebook aloha dia ny lafy ratsiny no tena misongadina

Ikaloyna
Inona no mampiavaka ny tononkalonao amin’ny mpanoratra hafa Niks Aloka Fanahy?

Niks Aloka Fanahy
Misy fifampitohizan-kevitra ny tononkalo ao anatiny.

Ikaloyna
Hazavao kely hoe?

Niks Aloka Fanahy
Hitanao? Ny tononkalo soratako raha antsaina dia mifampitohy tanteraka. Sarotsarotra avahana ny andininy satria mifampitohy ny heviny. Fa raha vakina kosa dia hita miavaka tsara ny andininy. Ny tena matetika lazain'ny olona indray dia hoe mitovy rafitra ny tononkalon'i Niks sy i Rado (Georges Andriamanantena).
Ohatra ity tononkaloko ity izay hita ao anatin’ny boky :

Ny nofoko ve...? hoy aho, nofo ihany
Ny fiainako koa, miserana izany
Ny vatan'ny foko hiverina ho tany
Fa ny soratro kosa, tsy ho resin'izany

Io ny sombiny ho hitantsika ao anaty boky fa manentana antsika mpankafy izany hoe pôezia izany aho mba hanjifa ny boky.

Ikaloyna
Amin'ny alalan'izay tononkalo tsara rindra izay no ifanaovantsika veloma amin'i Niks Aloka Fanahy. Mirary lalan-davitra ho an'i ANTSAN'NY TIA eo anivon'ny tantaran'ny literatiora malagasy. Veloma finaritra.

Niks Aloka Fanahy
Misaotra ny namana Ikaloyna Vony sy ny Pôetawebs ary mametraka ny mandra-pihaona e !

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com