Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

16 NOVAMBRA 2017

MIARY FANAHY - LAKOLOSY FAHATELO

Rariny loatra raha efa fanindroany i Miary Fanahy no mivahiny eto amin'ny Poetawebs tamin'ity taona 2017 ity satria azo lazaina ho itoeran'ny angovo mihitsy izy anandratany ny haisoratra malagasy. Manam-baovao hozaraina izy araka izany, dia ny hetsika amin'ny 25 novambra izao.

 

Toetra Ràja
Miarahaba anao Miary Fanahy ary misaotra indrindra amin'ny nisafidiananao ny Poetawebs hitantarana ny momba io hetsika io. Manaitra anay ny lohatenin'ny hetsika, Lakolosy fahatelo, izay sady lohatenin'ny bokin-tononkalonao vaovao rahateo. Arahabaina e! Azonao hazavaina ve ny momba ny lohateny manaitra io. Nahoana koa moa no fahatelo?


Miary Fanahy
Salama re! Ianareo no isaorana mampiantrano ahy eto amin'ny Poetawebs. Eny, fanindroany tokoa izao no ivahinianako eto. "LAKOLOSY FAHATELO" io no anaran'ity amboaran-tononkalo raketina anaty boky ity. Manaitra hoy ianao? Hihi! Tsy faheno tokoa aloha e! Izay indrindra no nisafidianako azy. Lohatenina tononkalo iray ao anatin'ity amboara ity izy io; nosafidina manokana ho lohatenim-boky.

Eny, hazavaiko fohifohy ny dikany. Andao ho any am-piangonana vetivety ny saintsika! Lakolosy telo misesy sy mielanelana matetika no hampanenoina alohan'ny tena hidiran'ny fiangonana. Rehefa mipaika io fahatelo io dia midika fa miditra ny fiangonana. Tsy misy andrasana intsony. Fa eto kosa indray dia nohindraina manokana ny FITIAVANA; lakolosim-pahatelon'ny fitiavana. Fitiavana tsy mihanahana, fitiavana resy lahatra...

Toetra Ràja
Tsy mba anisan'ireo mpandika tsipelina sy mpirona amin'ny "licence poétique" ianao raha ny taratra hitanay ao amin'ny tambazotra sosialy Facebook. Voafehy koa ve ny tsipelin'ny boky?


Miary Fanahy
Tena nezahina ho voafantina sy tsara rafitra ny tsipelina na ny voambolana ampiasaina ato anaty boky. Na izany aza tsy dia misy ny "licence poetique" fa natao tsotra sy sahaza ny olona rehetra.

Toetra Ràja
Azonao ampahatsiahivina ve ny anton'ny nidiranao Havàtsa-Upem? Nanomboka oviana? Ary maninona koa no Havàtsa ao Arivonimamo?


Miary Fanahy
Tamin'ny taona 2016 aho no niditra ho isan'ny Havatsa-Upem Arivonimamo. Niditra ho mpikambana satria te hanovo fahalalana sy hampivoatra ny kely ananana eo amin'ny sehatry ny literatiora. Arivonimamo moa no fihavianay ka rariny raha tao aho no nibe.


Toetra Ràja
Tadidinao ve ity sary ity?


Miary Fanahy
Hihi, tadidiko io sary io! Tao amin'ny CGM Analakely io. Tao anatin'ny Zarafanahy andiany fahaenina, ny 26 marsa 2016.

Toetra Ràja
Manaitra ny sary noho ny endri-pahavitrihana taratra ao aminy. Amin'ny fijery ivelany dia tanora mavitrika eny an-tsehatra ianao ary tsy mba mitana taratasy rehefa miantsa tononkalo. Azonao hamarinina ve izay?


Miary Fanahy
Eny e, tanora tokoa moa izany, hihi! Anisan'ny ankafizan'ny olona ahy ny endri-piseharako. Tena tsy vitako mihitsy ny mitana taratasy rehefa miantsa toa izao (raha tsy tena efa hoe tononkalon'olona vaovao be no hantsaiko ka mbola vahiny amiko), miaina kokoa ny zavatra hataoko amin'izao; sady malalaka be ny tanako.


Toetra Ràja
Inona no mety ho mahatsaratsara kokoa ny tsy fitazonana taratasy rehefa miantsa?

Miary Fanahy
Izay nolazaiko teo izay! Malalaka tsara aho amin'io. Raha izaho manokana dia tsy mangovitra mihitsy aho rehefa tsy mitana taratasy.


Toetra Ràja
Manana toro-hevitra ampitaina amin'ny namana poety ve ianao momba ny fihetsika amin'ny fiantsana tononkalo eny an-tsehatra?


Miary Fanahy
Mila resy lahatra amin'ny zavatra hantsainao ianao aloha. Manaraka izany dia mila iainana ihany koa izy. Atao mazava tsara ny fiteny rehefa miantsa (atao re avokoa ny tian-kambara rehetra). Ny ambiny, anjaranao ny mambabo ny mpihaino na ny mpijery.

Toetra Ràja
Ahoana no fomba nisafidiananao an'ireo mpiara miantsa amin'ny Lakolosy fahatelo?

Miary Fanahy
Nosafidiko manokana mihitsy izy ireo satria atokisako! Tena atokisako! Mino aho fa tsy handiso fanantenana izy ireo ka!

Toetra Ràja
Hisy antsa hafa koa amin'io 25 novambra io. Tsy dia misy ahiana ve ny mety ho fizaran'ny mpijery?

Miary Fanahy
Eny tokoa, misy antsa iray hafa ao amin'ny CGM amin'io fotoana io. Tsy dia misy ahiako loatra satria matoky ny mpankafy ahy aho! Hihi! Mino marimarina aho fa tsy ho diso anjara velively izy ireo ka!


Toetra Ràja
Raha tombanana dia hitohy hatrany ny firesahana an'i Miary Fanahy eto amin'ity tontolo mamintsika ity, dia ny tontolon'ny poezia malagasy izany. Azo fantarina sahady ve ny vina manaraka?


Miary Fanahy
Aleo aloha hiketrika tsara dia ho rentsika eny ihany! Hihi

Toetra Ràja
Marina izany. Misaotra anao nahafoy fotoana ho an'ny haisoratra sy ireo mpiseran'ny Pôetawebs. Mirary fahombiazana hatrany!

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 17/11/2017