Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

16 NOVAMBRA 2017

NIRIHAJA - KIRIMBA 2

Nirihaja, poety vehivavy, dia mivelatra eo anivon'ny Faribolana Sandratra. Resahina matetika ao amin'ny tambazotra sosialy izy ankehitriny noho ny hetsika antsa tononkalo antsoina hoe KIRIMBA 2 hatrehiny rahampitso sabotsy 25 novambra 2017. Mivahiny eto amin'ny Poetawebs izy ary manazava ny momba io lohatenin'ny hetsika io.

Toetra Ràja
Nirihaja, miarahaba sy misaotra anao. Omena anao ny fitenenana.
 

Nirihaja
Ny KIRIMBA dia tenin-jatovo midika hoe: mandehandeha, itsangatsangana, mihodina… Tamin’ny Taona 2002, Volana mey ny KIRIMBA voalohany. Famerenana sy fanohizana ny tany amin’ny 15 taona lasa izany ity Kirimba 2 ity.

 

Toetra Ràja
Inona no anton'ny nisafidiananao an-dRanoe amin'ny hetsika?


Nirihaja
Fomba fifampitondran’ny mpiraifaribolana Sandratra ny hoe “mifanome hasina ny zoky sy ny zandry” ka ny zoky no mitarika ny zandry matetika, tamin’io taona io 2002 io izany dia Nirihaja no nosafidina hiaka-tsehatra niaraka tamin’i Ranöe izay iray amin’ireo mpanorina ny Faribolana Sandratra. Famerenena sy fanohizana izany ito.

 

Toetra Ràja
Milamina tsara ve ny fanomanana ary mahatsara zavatra ve ny elanelan-taona ao aminareo?
 

Nirihaja
Milamina tsara ny fanomananana. Efa mipetrapetraka avokoa ny zavatra rehetra ilaina. Rahampitso sisa andrasana. Eo amin’ny soratra, tsy misy ny elanelan-taona. Afaka mifampaka toerana tsara ny asa soratr’i Ranöe sy Nirihaja. Aleo ny mpijery no asaintsika manao fanatsoahan-kevitra.

 

Toetra Ràja
Misy mpikanto manampy ve ianareo?


Nirihaja
Ny Mpanao teatra avy ao amin’ny Faribolana Sandratra no manampy miantsa, fifandrimbonana efa mahazatra ny mpiraifaribolana, izay tombony lehibe tokoa satria sady maro izy ireo no manan-talenta toa a-ndry Tsitohery, Ratsifa, Nirindra Rafalimanana, Ny Andriniela, Soratra Fanahy, Maneho, Anjara Tsy Ahy, Hery Mandaniaina.

Ny tarika Moajia no mpihira handravaka ny antsa, ho avy hihira ao koa i Ravaka, mpankafy Faribolana Sandratra. Ny tarika Moajia moa dia efa zatra ny Faribolana ihany koa, i elie rajaonarison, raha tsy diso aho, no nampiakan-tsehatra azy ireo voalohany tao amin’ny CGM tamin’izany, nandritra ny seho nataon’ny Faribolana Sandratra. Ny Faribolana Sandratra koa dia mpitrandraka sy mpanome sehatra ireny mpanakanto  izay mbola tsy dia fantatry ny olona ireny.

 

Toetra Ràja
Hisy boky hamidy ve?


Nirihaja
Hisy tokoa ny boky hamidy amin’io izay mitondra ny lohateny hoe “KIRIMBA”, boky faharoa. Marihina fa misy ireo tononkalo sy riankalo izay efa hita tao amin’ny boky “Kirimba“ tamin’izany no mbola ho hitanao ao amin’ity “Kirimba” boky faharoa ity.

 

Toetra Ràja
Hisy hetsika tononkalo iray koa amin'io 25 novambra io ao amin'ny Cemdlac. Mety hisy fiantraikany amin'ny hamaroan'ny mpijery anareo ve izany?


Nirihaja
Ny Sabotsy fahefatry ny volana dia efa hatramin’izay no fotoana fanaovan’ny Faribolana Sandratra seho ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy. Raha ny isan’ny olona liana amin’ny literatiora malagasy ankehitriny no jerena dia heveriko fa tsy ho ampy azy ireo ny CGM sy ny CMEDELAC.Ny Faribolana Sandratra dia efa manana ny mpanaraka azy rahateo.

 

Toetra Ràja
Raha atao indraim-bava, inona no tonga voalohany ao an-tsaina raha vao miresaka Ranoe i Nirihaja?


Nirihaja
Riankalo.


Toetra Ràja
Teny indraim-bava tokoa kanefa mahafehy zavatra betsaka. Nanomboka oviana no nisaloranao ny anarana Nirihaja ary oviana no nanomboka nanoratra tononkalo?


Nirihaja
Tamin’ny taona 1993 no nisalorako ny anarana Nirihaja izay taona nonombohako nanoratra ihany koa.


Toetra Ràja

Misaotra Nirihaja nahafoy fotoana nitafatafana taminay. Mirary fahombiazana ho an'ny rahampitso.

Nirihaja
Misaotra ny Pôetawebs sy ny mpanaraka ny hetsika toy izao. Rahampitso izany mifankahita an!

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 24/01/2018

×