Créer un site internet
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
28 Aogositra 2021
Tatitr'i Faniry Ezeckiel
FARIBOLANA SANDRATRA : ZAIKABE NASIONALY

Vonto literatiora i Vatomandry. Tontosa ny 20-21-22 Aogositra lasa teo tany an-toerana mantsy ny zaikabe nasionalin'ny Faribolana Sandratra andiany fahadimy. Na teo aza ny elanelan-toerana dia tsy nahalavi-tany ho an'ireo sampana maro izany satria dia nahatonga solon-tena hatrany Manakara sy Mahajanga. Ny alakamisy 19 Aogositra tamin'ny enina ora hariva no niainga teo amin'ny Tahala Rarihasina Analakely ny fiara niraisana ho an'ireo nisafidy hiainga tao Antananarivo. Nanodidina ny zato teo ho eo ireo mpiraifaribolana nifandranitra sy nifanakalo hevitra.

Ny sabotsy 21 Aogositra no nosokafana ofisialy ny zaika ka i Raphi izay mpandrindra ny Faribolana Sandratra sampana Antsirabe no nisolo tena ny mpandrindra nasionaly izay tsy afaka nanatrika ny fanokafana. Ny ben'ny tanàna lefitry ny kaominina Vatomandry kosa no nisolo tena ny fitondram-panjakana tany an-toerana. Noravahina antsa tononkalo isaky ny sampana tonga nanatrika ny kabary izay nifandimbiasana. Ny alin'io sabotsy io ihany no nanatanterahana ny alim-betso izay mampiavaka ny Faribolana Sandratra. Tao amin'ny lisea Fandresena Vatomandry no nilasy ny mpizaika rehetra.

Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fotoana rehetra tamin'ny ankapobeny na dia nisy aza ny trangana tsy fandriampahalemana tany an-toerana ka nahaverezana finday sy fitaovana vitsivitsy ny alin'ny zoma hifoha sabotsy. Dinidinika mikasika ny literatiora, ady hevitra sy fifanakalozan-kevitra miompana amin'ny fiainana anatin'ny Faribolana Sandratra, fifampizarana sangan'asa sy fialam-boly, ireo amin'ny ankapobeny no azo hamintinana ity fihaonam-be ity.

Ny alahady 22 Aogositra no nifarana ny zaika. Tafa sy posa-kevitra avy amin'ny mpandrindra nasionaly no namaranana ny fotoana ary tapaka teo ihany koa fa mbola Rakotomahafaly Norbert Eugène na i Ranoe hatrany no mpandrindra nasionalin'ny Faribolana Sandratra.

Rehefa ampoky ny literatiora malagasy i Vatomandry dia i Mahajanga indray no handray ny andiany fahenina amin'ny taona 2023.

 
Pôetawebs Pôetawebs
Pôetawebs Pôetawebs
© Pôetawebs

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

 

Date de dernière mise à jour : 28/08/2021