Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

01 Febroary 2015

DADARABE : NANAO VALAN-DRESAKA MOMBA NY BOKY ROA NAVOAKANY

Sady famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo boky roa natontan’i  DadaRabe ny fotoana  no nanaovana ihany koa  valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ary fihaonana tamin’ireo mpankafy azy.

"Hatramin'ny nahalalako anao"
“Tiako, tena tiako!”

I FANJA ANDRIAMANANTENA no nanao ny sasin-tsoratra tao amin'ny boky voalohany ary i RIJA RAMANANTOANINA kosa indray no nanao ny sasin-tsoratra tao amin'ny boky faharoa.

Taorian’izay dia niroso tamin’ny famelaberan-kevitra izay namerenany fohifohy ny tantaram-piainany hatramin’ny fahazazany ka hatramin’izao taona izao i DadaRabe.

Miankavanana : FANJA ANDRIAMANANTENA, DADARABE,
HAJAINA (Filohan'ny Havatsa Foibe), RIJA RAMANANTOANINA
Ireo mpanatrika

 

Voataiza tao anatin’ny fitiavana ny fiteny malagasy izy satria mpampianatra fiteny malagasy ny reniny, ka efa nankafizany sahady ny tsianjery fahazaza, ary laniny tamin’ny famakiana boky maro toy ny anganon’ny Ntaolo, ny takelaka notsongaina ary ireo boky tantara samihafa ny fahazatovony.  

Vinany manaraka ny hamoaka boky "angano ho an’ny ankizy", “tononkalo ho an’ny ankizy” sy boky famoaboasan-kevitra.

Nofaranana tamin’ny fiaraha-miala hetaheta ny fiarahana. Tsetsatsetsa ihany no ilazana fa efa nandalo nitapatapak'ahitra tato amin'ny PoetaWebs i DadaRabe tamin'ny 30 Jona 2009 [...].

Tatitra sy sary : Ikaloyna

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety


Date de dernière mise à jour : 05/07/2021