Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

22 Febroary 2015
 
TATITRY NY HETSIKA FIFAMPIARAHABANA NOHO NY TAONA VAO 2015
Natao tao amin’ny efitrano lehibe tahala Rarihasina

 


Notontosaina ny 31 janoary 2015 ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teo amin’ireo Mpikambana HAVÀTSA-UPEM sy ireo sakaizany . Tamin’ny 2.30 folakandro katroka no nanombohan’ny fotoana. Olona manodidina ny 100 no vory lanonana.

Ny Filoha Mpanampy anankiroa THINA sy WILLY WAY no nandrindra ny lanonana tanatin’izao fotoam-pifaliana noho ny taona vaovao izao. Nizara telo ny endrika nanehoana izany:

1-    Fandraisam-pitenenana
2-    Lanonana ara-penitra HAVÀTSA
3-    Korana

I-    Fandraisam-pitenanana

-    Ny Filoha am-perinasa ANDRIANASOLO Hajaina no nisantatra ny  fitenenana. Taorian’ny teny fiarahabana sy firariantsoa dia nasongadiny ny fandaharam-potoana ankapobeny mandritra ny fe-potoampiasan’ny birao sy ny fandaharam-potoana amin’ity taona 2015 ity. Natolony ihany koa ireo Birao mpiara-miasa izay vaovao satria voafidy tamin’ny 14 desambra 2014 ary hiasa mandritra ny 3 taona.


-    Nanohy ny fitenenana ireo Filoha am-boninahitra RAHAINGOSON Henri (Di…) sy RAMAKAVELO Désiré Philippe (MADERA), izay nanasongadina ny fiarahabana ny Birao vaovao sy ny firariantsoa ho an’ny rehetra.

 

 

-    Manaraka izany dia nandray fitenenana ny avy tao amin’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny vakoka, Ramatoa RABARISON Laure, izay Talen’ny Teny sy ny Soratra (Directeur des Langues et Ecrits), ka niderany manokana ireto Birao izay hita tokoa fa tanora avokoa ary nanasongadiny ny herim-pon’ny Filoha izay vehivavy voalohany nitantana ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy.

 

-    Namarana ny fandraisam-pitenenana ny Mpanolotsaina ao amin’izany fiadidian’ny Praiminisitra Andriamatoa RAKOTOMANANA Honoré izay nisolontena ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Nasongadiny nandritra ny teny nataony ny firariantsoa ho an’ny Birao sy ny Mpikambana HAVÀTSA-UPEM rehetra. Sambany, hoy izy, nisy lanonana HAVÀTSA ka nahatongavan’ny solontenan’ny Praiminisitra tahaka izao ary dia nampitondra hafatra manokana Andriamatoa Praiminisitra fa : tena manome lanja sy mankafy ny asan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy izy eo amin’ny fanandratan’ny HAVÀTSA-UPEM ny Teny sy ny Kolontsaina mba ho amin’ny fampandrosoana marina an’i Madagasikara.

 

 

II-    Lanonana ara-penitra HAVÀTSA
-    Fandraisan-tanana ireo Mpikambana vaovao. Miisa 14 mianadahy izy ireo. Araka ny hafatra nolazain’ny Filoha tamin’izy ireo dia tsy sarotra ny manao ny fangatahana hiditra ho mpikambana raha tena Poety sady Mpanoratra tokoa, saingy ny mitazona izay ho tena Mpanoratra sy vonon-kanome hasina ny fikambanana koa tsy mora. Noho izany, mila filofosana, ka raha mahatojo ao anatin’ny herintaona dia hosalorana hasina.

 

-    Taorian’izay dia roso tamin’ny fametahana ilay antsoina hoe SALOTRASINA, marika hita maso hanehoana ny maha HAVÀTSA sy maha Mpanoratra. Rehefa nosedraina herintaona no mihoatra dia tolorana io marika io. Lamba kely  lanjaina amin’ny soroka havia miloko ran’ombalahy ary misy nifiny milokom-bolamena. Miisa 9 mianadahy izy ireo.

 

-    Manaraka izany dia natao ny fanolorana solom-bodiakoho ho an’ireo Filoha am-boninahitra  (Razafiarivony Wilson, Ramakavelo Désiré, Rahaingoson Henri) sy ireo Zokiolona 75 taona no mihoatra (Rakotobe Ralako, Esther Randriamamonjy, Rabefananina, Rabearifeno Albert).

 

 

-    Ary namarana ity fizarana faharoa tamin’ny lanonan’ny HAVÀTSA ity dia ny fanolorana ampahibemaso ny solosaina fitondra (ordinateur portable) marika “COMPAQ” izay natolotry ny Poety sady Mpanoratra Irène RANDRIANARISOA-RASENDRA, Mpikambana HAVÀTSA-UPEM Sampana Frantsa izy. Mahatsiaro izy fa mendrika tohanana ny HAVÀTSA-UPEM foibe ary anisan’ny tsy nananan’izany fikambanana izany ny solosaina tahaka izao. Nampanantena koa izy fa ho avy ny famoahana an-taratasy (imprimante). Nampiarahany tanatin’ny kitapo misy io fitaovana io koa moa ny boky nosoratany nampitondraina ny lohateny hoe “DOX, Poesie Malgache et Dialogue de Culture”. Nankasitraka izany ny HAVÀTSA-UPEM manontolo tamin’ny alalan’ny Filoha izay nampita ny hafatra avy tamin’ity Poety Mpanoratra ity fa amin’ny volana marsa izy no hamoaka ny bokiny nampitondrainy ny lohateny hoe: KALOKALO RIRININA. Amin’ny maha tsy eto an-tanindrazana an-dRamatoa Irène Randrianarisoa Rasendra dia ny rahavaviny Ramatoa RASENDRA Zo no nanolotra izany. Marihina moa fa Ramatoa Rasendra Zo dia talen’ny toeram-pampianarana momba ny teny sy kolontsaina Sinoa (Institut de Confucius) ao amin’ny Fakiolte n’ny Teny aman-tSoratra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

 

III-    Korana
-    Fiaraha-mihinana sy misotro no nisantarana izany korana izany
-    Ireo Mpikambana vaovao no niantsa tononkalo avy, narahin’ireo notolorana Salotrasina
-    Notohizan-dry Zoukki David tamin’ny hirahira dikateny, ohatra amin’izany ny “oh, champs Elysée”, nadika hoe: “Eny Analakely”… Narahin’ny Diantana mozika ny fikalokaloana ary tsy diso anjara tamin’ny fahaiza-mihira koa ireo Mpikambana HAVÀTSA-UPEM. Rehefa samy nentanin-kafaliana ny rehetra dia nampiseho ny fahaiza-mitendry zava-maneno koa Andriamatoa RAKOTOMANANA Honoré, Mpanolotsainan’ny Praiminisitra ka niangaly “TADIDINAO VE?” ary ny rehetra no niara-niredona ny hira
-    Nelanelanina fandidiana MOFOMAMY Koba izany. Saika very anarana amin’ny hoe “Koba MADERA an’ny HAVÀTSA” izy ity satria dia i MADERA hatrany no mpanolotra izany ary dia notapahin’ireo Filoha am-boninahitra miaraka amin’ny Filoha am-perinasa sy ireo vahiny nandray fitenenana
-    Ny masoandro nilentika no nampisaraka ny rehetra
.

 

Tatitra sy sary : Hajaina

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021