Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

12 Febroary 2016

ANTSAN-TONONKALON'NY ANDRON'NY MPIFANKATIA

 Maro hono ny vorona fa ny railovy no tsara indrindra. Maro ny hazo fa ny fary no mamy indrindra. Maro ny androm-pifaliana fa ny andron'ny mpifankatia no mamerovero indrindra. Satria hiseho amin'ny 13 febroary ho avy izao ny toko telo nahamasa-nahandro ka anasana anao ny fankafizana izany.

 ANDROANY AKIA!!!

 Antsa tononkalo fitiavana maro loko iarahan'ny tanora lahy sy vavy miantsa, izay ahitana an-dry Miah Joe, Nahary Penina, Hanitra Randria, Omega Ratojo, Elisah Mbolatiana, Fotopisaina Raoly.

Ny toerana dia ao amin'ny KOLEJY RASALAMA amin'ny 2 ora sy sasany.
 Manasa antsika fa "androany akia" ny hifanolorantsika fitia (sary).

 

HANITRY NY FITIA

Lasa ny mamba dia misosoka ny voay; lasa Rakoto dia tonga Ralay ary vita ny ANDROANY AKIA dia miditra ny HANITRY NY FITIA.
 Izany dia ho hitanao ao amin'ny IKM Antsahavola amin'ny 2 ora tolakandro, anehoan'ny fikambanana Dian-TanaMasoandro (DTM) ny talentany amitsika.

 Hisy maripahatsiarovana ho zaraina eny ary mivonona dien'ny izao fa misy fandraisan'anjaran'ny mpanatrika ihany koa. Koa hianoka fitia ao antsahan'ny fitia mba hanome hanitra ny mpifankatia ny DTM.

 

DIA HARY

 Ny hazo hono tohizan-kazo, ny vy tohizam-by ary ny antsa teo kosa tohizana amin'ny DIA HARY. Ho raketina fa tsy atao mandalo izao fahasambarana izao izay iarahana amin'i DODA RAZAFINDRAVELO ao amin'ny TAHALA RARIHASINA ny tontolo andron'ny 13 febroary, manomboka amin'ny 9 maraina ka hatramin'ny 5 hariva, iarahany amin'ny fikambanana RIAN-KANTO AJA SY RAKEMBA ary KORIRAKANTO NY HAISORATRA. Fitiavana amin'ny sehatra rehetra no ventesina ao. Hifampizara ny kanto amin'ny mpanatrika rehetra izy ireo ka mahazo mandray anjara izay tonga ao. Tsy ho diso anjara koa ianao satria "SAMBATRA NY FO HANJAKAN'NY TENA FITIAVANA". Raha tombon'ny lamasinina ny eny amin'ny Gara, tsy ho any aho lehiretsy fa efa ho tara. Raha lapan'ny toaka ny eny amin'ny bara, tsy ho any aho lehiretsy fa misy bagara. Fa aleoko mijery antsa tononkalo miavaka indrindra izay anasako anao.

 Koa anao safidy amin'ireo telo toko mahamasa-nahandro ireo.
 
 Fanamarihana. Hisy boky amidy amin'ny vidiny mirary tokoa.
 Mahazoa fahafinaretana tompoko!

Lea Fandresena

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 12/02/2016