Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

10 Martsa 2016

ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY VEHIVAVY

Saika ho nahitana hetsika avokoa manerana ny Nosy ho fankalazana ity andro ity ka ny hetsika tetsy amin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo no hotaterina amintsika eto.

Tranoheva samihafa

Nisy tranoheva maromaro tao ka anisany ny momba ny fahasalamana: mitsabo nify, manampina ny trobaka amin'nify, manala nify, mizaha ny aretina diabeta, manao fitiliana VIH SIDA, mijery tosi-dra. Izany rehetra izany dia mamaim-poana avokoa ho an'ny vehivavy rehetra tonga nitsidika ny tranoheva. Nisy ihany koa ireo nanao fampirantiana sady nivarotra ny asa tanan'ny vehivavy toy ny satroka, akanjo nozairina...

Tranohevan'ny kaominin'Antananarivo renivohitra

Fa ny teo amin'ny tranohevan'ny kaominin'Antananarivo renivohitra manokana dia nahitana ireto: sary maneho ny fianjaikan'ny vehivavy malagasy, sary maneho ny asa aman-draharahany ihany koa rehefa andavanandro toy ny mantsaka, mandrary, manenona, manihika. Nisy koa ny sary maneho ny firandran'ny vehivavy Malagasy. Izany rehetra izany dia vokatry ny fiaraha-miasan'ny kaomininan'Antananarivo sy ny "Musée d'art et d'archeologie" izay tranom-bakoka ahafahantsika mahalala ny iavahantsika amin'ny firenen-kafa.

Teo ihany koa ny sary maneho ny endrik'Antananarivo izay iandraiketan'ny "Eco-tanàna", misahana ny fizahan-tany manana ny foibeny eny Andohalo, ny fampahafantarana ny hakanton'ny tanànan'Antananarivo. Isika Malagasy hoy izy ireo no tokony hahalala voalohany ny hankanton'ny renivohi-pirenentsika fa tsy ny vahiny avy any ivelany.

Sary hosodoko

Niavaka koa fampirantiana ny sary hosodoko nataom-behivavy, izay sary tena hita fa voakaly tokoa, hany ka nahaloa-bava ny mpitsidika hoe "hay va re ka mba mahavita zavatra toy izao ny vehivavy e". Isan'andro mantsy dia takona izy ireny ka ny andro natokana toy izao no isongadinany.

Havatsa Upem

Izany fahaiza-miangaly ao amin'ny vehivavy izany dia mbola nohamafisin'ireo fafana maromaro maneho ny asa soratry ny vehivavy avy ao amin'ny Havatsa Upem izay naneho fa manana ny kantony ny vehivavy Malagasy ary isan'ireo mamerina ny hanitra nentin-drazana. Nisongadina izany teo amin'ny famoronana hain-teny an-tsoratra izay lahabolana am-bava fahizany raha mbola tsy nisy ny soratra. Teo ihany koa ny fanomezan-danja ny tanindrazana sy ny tenin-drazana hita tao amin'ny tononkalo. Tsy diso anjara ny tononkalom-pitiavana izay naneho fa olon'ny FITIA ny poeta. Hita teny amin'ny fafana koa ny tononkalo maneho fa mino ny fisian'Andriamanitra ny poeta vehivavy.

Tsy ny tononkalo ihany no hita teny amin'ny tranohevan'ny Havatsa Upem fa ny sombin-tantara koa. Nahafinaritra noho izany ity hetsika ity satria raha ny fanehoan-kevitry ny mpitsidika tao amin'ny boky volamenan'ny Havatsa Upem no jerena dia afa-po avokoa izy ireo ary nisy ny tena nisaotra eram-po eran-tsaina. Fehezanteny iray no andeha ho singanina manokana etoana:

"Ahafantarana fa MANANA NY MAHA IZY AZY TOKOA KAY NY VEHIVAVY MALAGASY. Ahafantarana ihany koa fa tsy ny fako ihany no misy eto amin'ity renivohitry ny firenentsika ity fa manana ny hatsarany ihany koa izay iavahany amin'ny faritra hafa".

Naharitra efatra andro moa ity hetsika ity: nanomboka ny sabotsy 5 martsa teo ka nifarana ny 8 martsa. Ny valo martsa no tena nakotroka satria io no famaranana azy: nisy ny mpihira nanafana ny hetsika mantsy toa an'i Green, Kiaka, Rossy, ary ireo mpampihomehy avy ao amin'ny Fou'hehy (Eric sy Honora).

Ny ambara farany, izay tsy kely indrindra fa tena nampisy hasiny ny hetsika, dia ny fandalovan-dRamatoa Ben'ny Tanàna Lalao Ravalomanana izay nitsidika ny tranoheva rehetra.

Isaorana isika rehetra izay nandray anjara tamin'ny hetsika ho fanehoana ny hasin'ny vehivavy Malagasy.

Tatitra sy sary: Heriarilala Ratsimbazafy

 

    

 

 

 

 

ny firandram-bolon'ny vehivavy malagasy ny firandram-bolon'ny vehivavy malagasy
   
      

ny raharaha aman'andraikitry ny vehivavy, manihika izy eto sady miloloha

ny andraikitry ny vehivavy malagasy: mandrary
   
fihaingon'ny vehivavy malagasy fihaingon'ny vehivavin'nyi Mananjary
   
Fafana misy ny tononkalon'i Lillac,mpanoratra vavy ao amin'ny Havatsa Upem fafana misy ny tononkalon'i jacynte,sekretera jeneralin'ny Havatsa
   

 

 

fafana misy ny asa soratr'i Pika: tononkalo sy hain-teny, mpanoratra vehivavin'ny Havatsa

  fafana misy ny tononkalon'i Hantanoro, mpanoratra Havatsa vehivavy
   
fafana misy ny asa soratr'i Hajaina,filohan'ny Havatsa Upem, ampahan-tsombintantara sy tononkalo fafana misy ny tononkalon'i Heriarilala Andriamamonjy, mpikmbana vehivavy ao amin'ny Havatsa Upem
   

 

Sary hosodoko nataona vehivavy

 

Sary hosodoko nataona vehivavy  

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 10/03/2016