Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

11 desambra 2016

FARADOBOKY NY FAHA 150 TAONAN'NY GAZETY MALAGASY

Nofaranana tamin'ny 10 desambra 2016 ny fankalazana ny faha 150 taonan'ny gazety malagasy, notontosaina tetsy amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. 150 taona tokoa moa satria tamin'ny janoary 1866 no nivoaka voalohany ny gazety malagasy antsoina hoe "TENY SOA HANALAN'ANDRO".

Tamin'ny folo ora katroka no nanomboka ny fotoana. Nanokatra izany ny Tonian'ny lanonana Ramatoa Hantanoro, mpikamban'ny Havatsa-Upem. Niaraha-niredona ny hiram-pirenena malagasy.

Andriamatoa Ranjatohery Harilala no nanao tatitra momba ny fankalazana ny faha 150 taonan'ny gazety malagasy tamin'ity 2016 ity.
Noresahina tamin'izany ireo lohahevitra rehetra niompanana isam-bolana. Notsiahiviny ihany koa fa i Di... no tompon-kevitra amin'ny ity fankalazana ity.

Tao aorian'ny nahafatesan'i Di... dia nanendry an-dRanjatohery Harilala ny HAVATSA/UPEM ho Filohan'ny Komity mpandrindra ny fankalazana ny faha 150 taonan'ny gazety malagasy. Tsara ny manamarika fa tsy nandraraka ilo mby an-doha Ranjatohery Harilala mandra-pahatongan'io andro famaranana ny fankalazana io. Ny komity no nikarakara ny fankalazana rehetra hatramin'ny farany, fa ny HAVATSA/UPEM kosa dia teo akaikiny teo hatrany.

Taorian'ny tatitra dia nandray anjara fitenenana Andriamatoa RABEFANANINA, solontenan'ny mpanao gazety zokiolona. Anisan'ny nisongadina tao amin'ny lahateniny ny fanononana ireo teny diso fahita matetika eny amin'ny haino aman-jery, na amin'ny teny malagasy izany na
amin'ny teny frantsay. Anisan'ny hafatra azo nosintonina tao amin'ny lahateniny ihany koa ny tokony hananan'ny mpanao gazety toe-tsaina manaiky ahitsy sy atoro amin'ny tokony ho fiteny sy fanoratra.

Taorian'izay dia nanana anjara hira roa ny Tafasiry Kolo Kanto avy amin'ny ENS.

Manaraka izany dia nifandimby nandray anjara fitenenana ny solontenan'ny vaomieran'ny fanajana ny zon'olombelona, ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety ary ny solontena avy ao amin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny fifandraisana amin'ny Andrimpanjakana. Nisongadina tao amin'ireo lahateny ireo ny fahalalahan'ny mpanao gazety.

Andriamatoa Ranjatohery Harilala no namarana ny fankalazana ity faha 150 taona ity tamin'ny firarian-tsoa hoe:

"Ho ela velona anie ny gazety malagasy miasa amim-pahafahana; ho ela velona anie ny teny malagasy!"

Tatitra: Heriarilala Andriamamonjy
Sary: Zo Maminirina

 

 

Manoloana ny lapan'ny Akademia Malagasy
 
Nanafana ny lanonana ny Tafasiry Kolo Kanto avy amin'ny ENS

 

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 11/12/2016

×