Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

23 Desambra 2016

 AMPAMOHA INDRAY MITOPI-MASO

RAZAFIARIVONY Wilson

RAZAFIARIVONY Wilson, teraka tamin'ny 23 marsa 1936 tao Anjozorobe. Fantatra eo amin'ny asa soratra amin'ny hoe RAZAFIARIVONY Wilson, Ampamoha. Ny taona 1955 izy no namoaka voalohany ny andalan-tononkalony tao amin'ny gazety Loharano ary hatramin'izay izy tsy nitsahatra namoaka ny diam-peniny tao amin'ireo gazety samihafa toy ny Vaovao Frantsay-Malagasy; Vaovao; Hehy, Madagasikara Rahampitso, Madagasikara Ambatra, Gazety Valiha, Revio Fampitaha, Revio Tatamo.

Niditra ho Havàtsa-Upem tamin'ny 1952 ary Filohan'io Fikambanana ara-kolontsaina lehibe anisany zokiny indrindra aty Afrika io izy ny 2008-2011. Manana mari-boninahitra Commandeur de l'ordre National sy Commandeur des Arts, des Lettres et de la Culture.

- Namoaka ny amboaran-tononkalony voalohany AMBOARAN-TONONKIRA ny taona 1962.
- Ny FAMPITAHA laharana faha 29 dia natokana ho azy.
- IARIVO 400 taona, amboaran-tononkalo nivoaka tamin'ny 2014, nanolotra ny Boky: Pr Ranjeva Raymond
- RABENJA SALOMON, boky navoakan-dRazafiarivony Wilson, famakafakana ny tononkalon'io mpanoratra io.
- FAMOA, amboaran-tononkalo nivoaka ny  taona 2013, mpanolotra: Nalisoa Ravalitera
- Manoratra tantara an'onjampeo koa izy izay efa nandeha tamina onjampeo toy ny "Dimy tapitrisa ariary"; "Herivaikan'ny fitia", "Main'ny afo natsangany".
- Efa nanao velakevitra maromaro teny amin'ny Akademia, ka ny velakevitra voalohany notontosainy teny dia nampitondraina ny lohahevitra hoe "Ny aretin'ny fiaraha-monina tarafina amin'ireo tantara fisehatra nosoratan'i ANDRY ANDRAINA", tamin'ny taona 2001 niarahany tamin'i Hajaina.
- Voaray ho Mpikambana tao amin'ny Akademiam-pirenena ny 19 desambra 2013.
- Mpikambana tao amin’ny SEROI (Société des Ecrivains de l'Océan Indien) izy satria manoratra amin'ny teny frantsay koa.
Marihina fa efa nitapatapakahitra tamin'i Toetra Ràja tao amin'ny Pôetawebs izy tamin'ny 22 janoary 2010.
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-34.html

"Very namana tokoa raha nandre ny fandaozan'ny namana Wilson Razafiarivony", hoy i F.-X. Mahah tao amin'ny taratasiny voarainay.


Miankavanana: Ampamoha, Julien Ranaivo, F.-X. Mahah ary i Di...

Tamin'ny taona 2005 izy efatra mirahalahy ireo no niara-nikorana tao amin'ny hotely tsy lavitra ny farihin'Anosy.
"Io no fotoana farany nahitako an'i Julien Ranaivo fa maty izy ny volana martsa 2006. Mbola nifanoratra tamin'ny Filoha Wilson Razafiarivony aho ary nandefasany ny amboarany Famoa ny taona 2013", hoy i F.-X. Mahah mitantara tamin'ny fo tohina tokoa.

Indro andalana vitsivitsy notsongainy ho antsika avy ao amin'ny tononkalo Ry aina.

 

Eny, ry aina,  ry fofonahandro,
Nokolokoloina eny isan'andro
saingy tsy tana, fa lasa nilefa
Aiza no toeran-kalehanao anefa ?

Eny ny lahatra tsy azo ihodivirana,
Mandidy dia homana tsy azo ifandirana,
Mangirifiry ny fo sy fanahy
Misaina ireo nofo tsindrian-drangolahy.

Izahay eto amin'ny tranonkala Pôetawebs dia maneho fiiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny Ampamoha sy ny HAVATSA-UPEM.

Lahatsoratra: Hajaina
Sary: F.-X. Mahah sy Ampamoha (tahiry nomeny ho an'ny Pôetawebs)

poetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 24/12/2016