Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

02 janoary 2017

Faly hono ny raozy raha tonga ny maraina, maitso mavana ny ketsa raha tonga ny ranonorana... Fa izahay eto amin'ny tranonkala PÔETAWEBS kosa dia diboky ny hafaliana miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao 2017.

Hitondra soa sy fanambinana ho antsika mianakavy anie ity taona 2017 ity ary hiroborobo tokoa ny fifankatiavantsika sy ny fitiavana ny literatiora malagasy nimatimatesantsika.

Ny omby hono tompoko fantatra amin'ny sorany, ny akoho ankafizina amin'ny volony ary ny olona iseraserana amin'ny tsikiny sy ny anarany. Koa na dia tsy vahiny aminareo aza angamba ny soratray, amin'ireny tapatapakahitra, vaovao sy tatitra hetsika ary famakafakana tononkalo naelinay ireny, dia faly izahay miseho tava miaraka etoana.

Pôetawebs 2017

Miankavanana: Heriarilala Andriamamonjy, Doda Razafindravelo, Toetra Ràja, Léa Fandresena, Andrianasolo Hajaina, Ikaloyna Vony.

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/01/2017