Créer un site internet

  

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

10 ôktôbra 2017

TELO ANDRON'NY HAVATSA-UPEM ARIVONIMAMO

Ny Havàtsa-Upem Arivonimamo dia mikarakaraka hetsika ho fanohizana ny fankalazana ny faha-65 taona ny Havàtsa sy ho fanokafana ny taom-pikatrohana 2017-2018, izany dia nampitondrainy ny lohateny hoe: TELO ANDRON’NY HAVÀTSA-UPEM ARIVONIMAMO, ny 18-19-20 ôktôbra 2017 ao amin’ny TRANOMPOKONOLONA ARIVONIMAMO, izay eo ambany fiahian’ny Kaominina Arivonimamo Ambonivohitra.

Izany hetsika izany dia ahitana fampirantiana mahakasika ny Havàtsa Foibe sy ny Havàtsa Arivonimamo, ireo mpanoratra anaty fandaharam-pianarana, mazava ho azy fa misy ihany koa ny asasoratry ny mpikambana. Ny fanokafana amin’ny fomba ôfisialy moa dia ny ALAROBIA 18 OKTOBRA 2017 amin’ny 10 ORA MARAINA, izay anasany ny olona manan-kaja maro eo an-toerana, ary arahina velakevitra izay tarihin-dRamatoa Naomy Hajaina ANDRIANASOLO Filohan'ny Havàtsa-Upem Foibe sy fanokafana ny fampirantiana. Ny tapak’andro hariva kosa dia velakevitra atokana ho an’ny mpianatra izay tarihin’Andriamatoa RAZANAJATOVO ANDRINIMERINA Hobiana Filoha am-boninahitry ny Havàtsa-Upem Arivonimamo, izay Filoha nanorina ny fikambanana tao Arivonimamo. Mandritra ny roa andro dia misokatra ho an’ny rehetra ny fampirantiana.

Ny ALAHADY 22 OKTOBRA 2017 amin’ny 2 ORA sy sasany kosa izy ireo dia miara-miasa amin’ny Mpiofana ho mpampianatra andiany “MIATRIKA”ao amin’ny CRINFP ARIVONIMAMO izay anatanterahan’izy ireo ny TANTARA FIHAINO an-tsehatra mitondra ny lohateny DITRAN-JATOVO, nosoratan-dRamatoa RAVOROMBATO Ony Lantoarimamy, Filoha am-perin’asan'ny Havàtsa-Upem Arivonimamo. Ireo rehetra ireo moa dia anasany ny olona rehetra tsy ankanavaka indrindra ny mpianatra sy izay liana amin’ny asasoratra satria tokoa ny teny dia velona ary “Velona ho velona ny Haisoratra Malagasy”.

Tatitra sy sary: Ony Ravorombato

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 10/10/2017