Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

28 desambra 2017

TSIKIMILAMINA, MPIARAMISALAHY AO AMIN'NY POETAWEBSPôetawebs 2017

Nanomboka tamin'ny volana novambra 2017 no naha mpikambana feno an'i Tsikimilamina Rakotomavo eto amin'ny Pôetawebs. Raha ny marina aza dia efa am-bolana vitsivitsy izy no mpanolotra lahatsoratra sy tatitra ho an'ny tranonkala.

Lehiben'ny Sampandraharaha misahana ny Kolontsaina eo anivon'ny Minisiteran'ny Kolontsaina izy ary mpandalina ny literatiora ankehitriny sy mpiangano. Na dia eo aza ny hamaroan'ny andraikitra sahaniny ivelan'ireo sehatra ireo dia hita taratra hatrany ny fanomezany lanja manokana ny tononkalo sy ny tontolony ary nahatonga azy ho Pôetawebs.

Fantatr'olona eo anivon'ny tontolon'ny poezia izy ka anisany ireo mpiara-mitankosina aminy ao amin'ny Pôetawebs: Ikaloyna Vony, Hajaina, Doda Razafindravelo, Léa Fandresena, Heriarilala, Hanitr'Ony ary Toetra Ràja.

Izahay ekipan'ny Pôetawebs dia miarahaba azy sy manolotra azy am-pifaliana ho an'ny mpiserany izay antenaina fa hanome toerana mendrika azy eto amin'ity tontolontsika ity.

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

 

 

Date de dernière mise à jour : 28/12/2017