Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


15 aprily 2010
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

HO AVY NY SAKOROKA

Sakoroka, tenin-jatovo kanefa manana ny toerany eo amin'ny fiaraha-monina ankehitriny, no entina hisalorana ny antsa tononkalon'i MAHEFA sy JIMMY R.J.H. hotanterahina ao amin'ny C.G.M. Analakely ny alarobia faha 28 aprily 2010 izao. Seho hafa mihitsy ity hoezahin'izy mirahalahy tsongaina avy tamin'ny andavanandrom-piainana ity.
Hiavaka ny tranga ho hita eny an-toerana na amin'ny fitafy na amin'ny rindra an-tsehatra ka anasana ny namana rehetra. Hoy indrindra i MAHEFA raha tafaresaka taminay :

 
"fa rehefa lasa nisidina ny FARA MANIDIN'i JIMMY R.J.H. dia notsenain'i MAHEFA an'eritreritra avy any Lyban".

 

Manamafy izany ny teny filamatra hita eo amin'ny fafana manao hoe : "sangan'aingan'ny mpanamory fanahy mirahalahy".

Pôeta tanora samy manana ny maha izy azy avy izy mirahalahy. Misy kosa anefa ny marimaritra iraisana dia ny fahaiza-miangaly miharo hatsikana ny fiainana andavanandro. Hain'izy ireo ny mametraka amin'ny toerany avy ireo voambolana voafantina, hatramin'ny teny tsotra ka hatramin'ny tenin-jatovo izay zary hahafinaritra ny sofina. Tsetratsetra tsy aritra ihany no ilazana fa efa nivahiny teto amin'ny tranonkalan'ny Pôetawebs i MAHEFA.


Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/06/2019