Créer un site internet
Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta
(T. Ràja)
22 avrily 2018

Pôetawebs 2017FELAN'NY FANJA, ATOLOTR'I VONONA TSIRINIAINA

Vonona Tsiriniaina dia mpanoratra sy poety, mpikambana ao amin'ny Havàtsa-Upem ary mpikabary ao amin'ny FI.MPI.MA. Hanao hetsika famoahana ny boky mitondra ny lohateny hoe FELAN'NY FANJA izy.

Boky amboaran-tononkalo voalohany nosoratany io ary amboara maneho ny fiainan-janak'olombelona, na ny marimarina kokoa, ny fiaimpiainantsika Malagasy. Mety ahitanao soritra fankaherezana ao, toy ny fitolomana sy ny fanoherana ny tsy rariny, fa indrindra ny herim-pom-behivavy Vonona handresy amin'ny lalan-kalehany...
Mirakitra 132 takila ny boky ary Brencht Mbolamasoandro no nanonta.

 



Ny filoham-boninahitry ny Havàtsa-Upem, Iharilanto Patrick Andriamangatiana (IPA) no nanolotra ny boky, ny filohan'ny Federasion'ny Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS) Rabenandrasana Lalao François na Nandrasana kosa no nanao ny teny famaranana. Hita ao amin'ny boky ny fankasitrahana nataon'ny filohan'ny Havàtsa Antsirabe Nary RHA sy firarian-tsoan'i Andry Andriamanantena zanak'i Rado mpanoratra...

Mino ny mpanoratra fa ho soa sy hamelana eo an-tanan'izay mandray azy ny FELAN'NY FANJA ka manasa am-pitiavana antsika hanatrika ny fanolorana ny boky amin'ny zoma 27 avrily 2018 amin'ny 11 ora ao amin'ny Biraon'ny FMTS Analakely. Izahay eto amin'ny tranonkalanao Pôetawebs dia mirary fahombiazana ho an'ny FELAN'NY FANJA ho ela velona ao am-pon'ny mpakafy tononkalo rehetra.

Toetra Ràja

Pôetawebs 2017   NOHO

Noho 'lay feo maneho taraina,
Noho 'lay tsikin'ny maraina,
Noho ny nenina any ho any,
Noho ny hetraky ny tany

Noho 'lay marina voahosy,
Noho 'lay fihavahan-torosy,
Noho ny ovam-panekena,
Noho ny fanandratan-tena

Noho 'lay fandrika navela,
Noho 'lay famongorana ela,
Noho ny lemba sy indro kely,
Noho koly eliely

Noho 'lay visa be finoana,
Noho 'lay rintona midona,
Noho ny rofatra am-panahy,
Noho ny diavina tsy nahy

Noho 'lay fikojàna teny,
Noho 'lay oram-belo ombieny,
Noho ny hoavy mbola sary:
Ry poety havako o! Soraty!

Vonona Tsiriniaina
29 Febroary 2012
poetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 22/04/2018

×