Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
18 septambra 2014
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

 

FIHAONAN'NY MPANORATRA SY MPAHAY ARAK'ENDRIKA AMAM-BIKA

MANATONA NY VAHOAKA NY ASA SORATRA, NY ASA TENY, NY ASA SARY amin'ny alalan'ny hetsika fampirantiana tantanan'ny ORTANA. Ireto avy no miara miasa aminy :

  • Ministeran’ny Asa Tanana, ny kolotsaina ary ny vakoka
  • SYNAL
  • FAVI
  • DLE
  • FMTS
  • CUA

Izany hetsika fampirantiana izany dia nampitondraina ny lohahevitra hoe :

 

« Ambohipihaonan’ny mpanoratra sy ny mpahay arak’endrika amam-bika »

 

Ny ORTANA dia mpikarakara ny hetsika fa misy ireo mpandrindra izay tarihin-dry Michelle Rakotoson (mpitarika sady mpanoratra), Brentch na i Mbolamasoandro (poety), Lalao RABENANDRASANA (poety - Filohan'ny FMTS), Hanta RAMAKAVELO (poety - Filohan'ny SYNAEL).

Tsara ny manamarika fa voakasika ao anatin'ireo mpahay ara-endrika ny mpaka sary pika, sary hosodoko, sariitatra, sarin'olona atao amin'ny pensilihazo sns.

Ny tanjon’ny hetsika dia ny hanehoana ny kolotsaina Malagasy amin’ny alalan’ny boky sy ny hahamatihanina ny asa soratra ary hamoronana ny sampan-draharaha misahana azy ireo.

 

Daty : 15 ka haramin’ny 23 Septembre 2014

Toerana : eo amin’ny zaridain’Antaninarenina


Heverina fa tsara raha hitarina any amin'ny faritra ny hetsika toy itony, entina hampiroboroboana ny haisoratra sy kolotsaina malagasy manerana ny Nosy.

Ikaloyna

 

poetawebs@gmail.com