Créer un site internet
Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

16 septambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

sary nindramina

Velakevitra

"SÔVARAMITA, TÖNKALO, TÖKANDRIÀÑA, RIANKALO "


Tolakandro nizaram-pahalalana mikasika ny fanavaozana ny endriky ny tononkalo ankehitriny no tsapa tao amin’ny efitrano DOX, tranombokim-pirenena Anosy  ny alarobia 18 septambra 2019. Ra-phi mpanoratra Faribolana Sandratra Antsirabe, Ezra S. Faribolana Sandratra Toamasina, ary Ranoe mpandrindra Nasionaly Faribolana Sandratra no nifarimbona tamin’izany. Riambola Mitia kosa no nanentana ny fotoana manontolo.


Miankavia : Ranöe, Ezra Samuel, Ra-phi

SÔVARAMITA
Nitondra fanazavana mikasika ny sôvaramita i Ra-phi izay nalaina avy tamin'ny teny roa samy manana ny hasiny nefa anehoana kanto dia ny sôva sy ny ramita.
 
Namaritra ity mpanoratra ity fa lahabolana mirindra ilazalazana na itsikerana toetoe-javatra na fitantarana toe-javatra na fanehoana voka-pandinihana ny sôva.
 
Ny ramita kosa dia manaraka ny ngadona kidombaramita kidaombitaha izay ngadona tena malagasy heverina fa tsy ho tontan’ny ela. Nahariharin-dRa-phi fa teny no tanisaina amin’ny ankapobeny ary atao miova toerana sy miova loko.


TÖNKALO SY TÖKANDRIÀÑA
Nanohy ny famelabelarana i Ezra S. tamin’ny fanehoana ny tönkalo sy ny tökandriana.
 
Ny tönkalo dia fitambaran'ny tökatöka sy tononkalo.
Ny tönkalo araka izany dia asa soratra vaovao teraky ny tononkalo izay voizin’ny F.S any amin’ny faritra Toamasina. Koa endrika fitantarana ny zava-misy amin’ny alalan’ny tononkalo no anehoana izany.

 Teraky ny tononkalo ihany koa ny Tökandriàña satria ahitana tökatöka arahina riankalo. Ny tökatöka moa dia karazana lahabolana entina mitantara toe-javatra iray izay mety ho an-karatsiana na an-kasoavana. Lahabolana teraky ny saina ny tökatöka satria mitanisa ny zava-misy sy ny hita maso ary ny tsy hita maso ihany koa. Ny tena mampiavaka ity endrika asa soratra ity dia ny fampihaonan’ny mpanoratra ny lahabolana izay tokony hatao am-bava sy ny haisoratra.

RIANKALO
Ranoe no namarana ny fizarana ka nanazava fa lahatsoratra mikoriana, itantarana trangan-javatra isehoan’ny fihetseham-po samihafa ny Riankalo. Tsy misy andininy maromaro toy ny tononkalo ny riankalo araka ny nambara ary tsy dia ahitana taratra ny rima sy ny ngadona mahazatra.


Nalai-nisaraka ny rehetra na dia hariva aza ny andro. Nanatrika ity fotoana ity avokoa na mpiara-miasa eo anivon’ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina na mpikaroka na mpanabe na mpanoratra samihafa eo anivon’ny Faribolana Sandratra.


Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Tsikimilamina Rakotomavo


poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 19/09/2019

×