Créer un site internet
Teny ibeazana, mampiofana ny vondrona TG2.0
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

01 marsa 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

FAMPIOFANAN'NY VONDRONA TENY GASY 2.0
Lanonam-pamaranana
— Tatitr'i Toetra Ràja —
Tsikimilamina Rakotomavo, nisolo tena ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina Notanterahina tao amin'ny CEMDLAC Analakely ny tolakandron'ny 29 febroary 2020 ny lanonam-pamaranana ny fiofanana nozarain'ny vondrona TENY GASY 2.0. Nandritra ny sabotsy telo voalohany tamin'ny volana febroary no nanatanterahana ny fiofanana araka izao fandaminana izao:

- famoronana blaogy novelabelarin'ny Teny Gasy 2.0
- fanitsiana tsipelin-teny nentin'ny tranonkala Pôetawebs
- fampiasana ny ohabolana malagasy nozarain'ny pejy Facebook "Ahoana ny fanoratra?"

Tamin'ny roa ora no nisantatra ny lanonana tamin'ny alalan'ny dihy ny Tarika Rohy Kanto.
_______________
Sary ankavia : Tsikimilamina Rakotomavo, nisolo tena ny MSK

Ragasy no tonian-danonana sady nanentana.. Nanelanelanana ny fotoana ny slam niangalian'i Antso Fy Tia sy Conan, niampy ny tononkalo nifandimbiasan-dry Tsiry, Y-Sorakanto, Diamondra sy Domoina.

Nisantatra ny lahateny i Ando Rasolondraibe avy ao amin'ny TENY GASY 2.0. Nandimby azy kosa i Tsikimilamina Rakotomavo, Talen'ny Maha Izy ara-Kolontsaina sady nisolo tena ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK).

Nampiavaka an'ity lanonana ity ny fanolorana mari-piofanana ho an'ireo 31 navitrika nanatrika ireo fiofanana rehetra. Anisan'ireo mpanolotra izany ny avy ao amin'ny Ministeran'ny Serasera sy i Ando Rasolondraibe.
Ireo 31 mianadahy nozaraina mari-piofanana

© poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 01/03/2020