Akademia : Pôetawebs sy ny Sorapiainana
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
08 febroary 2021

PÔETAWEBS MISEHATRA
Pôetawebs Hiantsehatra ny Pôetawebs, tranonkala manandratra ny literatiora malagasy amin'ny alalan'ny sehatra natokany ho an'ny pôeta sy ny tononkalo malagasy.

Ao anatin'izany ny fizarana voka-pikarohana momba ny tontolon'ireo pôeta efa nodimandry fantatra amin'ny hoe "Sorapiainana" natomboka tamin'ny 15 janoary 2018 ary mivoaka isaky ny faha-15 ny volana. Namoaka sorapiainana 35 ny Pôetawebs hatreto, anisany ny an'i Samuel Randria, Randja Zanamihoatra, Rabary, Ratsimba Georges, Eliza Freda, Om-Gui, Clarisse Ratsifandrihamanana, Elie Rajaonarison... Ezahiny ny hamadika izany ho boky isan-taona.

Misy ihany koa ny tafatafa amin'ny pôeta mbola velona antsoina hoe "Tapatapakahitra" efa nahazatra ny Pôetawebs sy ireo mpiserany hatramin'ny taona 2009 nijoroany.
 
Raha tranonkala no sehatra niorenan'ny Pôetawebs hatrizay dia tonga kosa ankehitriny ny fotoana ifanatrehany tava amin'ireo mpiserany ka hanehoany an-tsehatra ny Sorapiainana sy  ny  Tapatapakahitra.  Izany  no

tanteraka dia noho ny fiaraha-miasany amin'ny Tranombokim-pirenena tantanan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Manome fotoana anao àry ny Pôetawebs isaky ny alarobia fahatelon'ny volana amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Koa amin'ny 17 febroary izao no hampianoka ny sorapiainan'i Rado ao amin'ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena, ny Pôetawebs. Hisy vahiny manokana taranaky ny pôeta hanotrona sy handray anjara mandritra izany. Ho an'ny Tapatapakahitra kosa dia hitafa an-tsehatra amin'ny Pôetawebs  ny Poeta mirahalahy Ramarolahy Lioka sy Ramarolahy Jaona izay sady mpamoron-kira ihany koa.

Marihina fa hetsika taorian'ny famoahana ny boky Sorapiainana 1 ity hotontosaina isam-bolana ity.

Toetra Ràja
Pôetawebs Pôetawebs
Pôetawebs Pôetawebs
Midi Madagasikara
Les Nouvelles
© Pôetawebs