Créer un site internet
Pôetawebs
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
19  martsa 2021

Faribolana Sandratra, velakevitra tao Ambatolampy

Masaka ny nahandro tany Ambatolampy tany, niredareda ny afon'ny literatiora malagasy. Notanterahina ny sabotsy 13 martsa 2021 lasa teo mantsy ny velakevitra momba ny literatiora nataon'i Ranoe tamin'ny mpianatra. Teo an-jaridainan-dRazanoelina Leontine na i Leo Eden mpandrindra ny Faribolana Sandratra Ambatolampy no notontosaina ny hetsika rehetra izay nanomboka tamin'ny 9 ora sy sasany maraina.

PôetaWebs

Ireo mpiraifaribolana tao Ambatolampy moa no nikarakara ny fihaonana. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon'i Ranoe tamin'ireo mpianatra izay mifototra amin'ny literatiora amin'ny ankapobeny, nelanelanin'ny antsa tononkalo nataon'ireo pôeta mpiraifaribolana.

PôetaWebs

Ny fanontaniana narahim-baliny avy amin'ny mpianatra, fampirantiana ireo boky navoakan'ny FS Ambatolampy sy navoakan'i Leo Eden no namarana ny tapany maraina.

PôetaWebs PôetaWebs

PôetaWebs Tsy nampoizina ny hafaliana satria tafahaona tampoka teo an-toerana ireo pôeta vitsivitsy avy amin'ny toeran-kafa ka niova ho lanonan'ny Faribolana Sandratra ny fotoana tao aorian'ny velakevitra. Niara-nikorana sy nifampizara aingam-panahy ireo pôeta tsy nantsoina nasesiky ny kanto. Tazana tao ry Santatra Ramarozaka (FS Anjeva Gara), Ny Iraka Rambolamanana (FS Antananarivo), Faniry Ezeckiel (FS Antsirabe) sy izay tsy voatanisa, niampy ireo FS Ambatolampy izay nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ny fandraisana. Lafatra na ny toerana na ny tontolo iainana na ny tafatafa narahina tsiky. Nofaranana tamin'ny sakafo niraisana sy dinidinika ny fotoana.

PôetaWebs

Tsy azo ihodivirana intsony fa mamirapiratra ny literatiora malagasy ankehitriny, velona ny soratra sy ny teny ary hanana ny hoaviny manerana ny nosy.
____________________________
Tatitra sy sary : Faniry Ezeckiel

Takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 19/03/2021

×