Créer un site internet

Tsy mba zaza

Lahatsoratra - 31/01/2023

TSY MBA ZAZA eny Tsimbazaza
Heriarilala Andriamamonjy - 31/01/2023

TSY MBA ZAZA eny Tsimbazaza

Hanatanteraka fifampiarahabana taom-baovao 2023 eny amin'ny valan-javaboahary Tsimbazaza ireo pôeta sy ny mpankafy pôezia amin'ny 5 Febroary ho avy izao. Hetsika izay tarihin'ny pôeta 7 mianadahy: Ny Iraka Rambolamanana, Art Fetra Art Mikalo, Ny antsaly, Léa fandresena, Bins, Indrafo Tsihoarana ary Ny Anoka Notiavina. Hivoaka sy hamidy eny an-toerana amin'io fotoana io ny boky "Tsy mba zaza" izay mirakitra takila 116 ka Ny Iraka Rambolamanana no nanao ny teny fanolorana. Ireo 83 mianadahy nanoratra tao anatin'ny boky dia afaka manjifa amin'ny sarany manokana. Ny daholobe kosa dia mila manao famandrihana mialoha any amin'ireo mpitarika 7 mianadahy.

"Tsy mba zaza" no anarana nasalotra ny boky mba ho tsangambaton'ny fifamotoanana teny amin'ity toerana itobian'ireo voahary miavaka ity. Manomboka amin'ny 9 ora maraina ny fandaharam-potoana izay hifandimbiasan'ny antsa malalaka.

Aorian'izay no anoloran'ny mpankafy fanomezana ho an'ny pôeta tena nandona ny fo, arahin'ny fiaraha-misakafo izay efa novatsian'ny tsirairay. Araka izany dia hiavaka ity fotoam-bitan'ny pôeta sy ny mpankafy ity ary tsy hifarana raha tsy amin'ny 5 ora hariva.


Date de dernière mise à jour : 02/12/2023