poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

23 mey 2018

FANANDRATANA AN-DRAKOTOBE RALAKO (Ny Ako)
— Sabotsy 19 mey 2018, Tahala Rarihasina Analakely —

Somary tao anatin’ny tebiteby kely ihany ny Havàtsa-Upem izay Mpikarakara ity seho an-tsehatra ity, noho i RARIHASINA toerana tsy lavitra ny Lapan’ny Tanàna. Fantatsika Malagasy ny zava-misy: hetsika fitakiana tarihin’ireo solombavambahoaka 73. Tsy nanamaloka velively ny lanonana anefa izany fa mainka aza nafana dia nafana ny tao amin’ny efitrano malalaky ny Tahala RARIHASINA. Maro ireo Mpankafy haisoratra nifanotrona sy niara-paly tao. Tononkalon’i NY AKO miisa 25 nofantenana tamin’ireo nosoratany an-jatony no nantsaina, noravahin’ny hira 14 an’ny tarika RAVELO Jean Baptiste.


ANDRO FANANDRATANA
Satria mbola velona RALAKO dia teny nofinidin'ny HAVATSA-UPEM ny hoe ANDRO FANANDRATANA... Fony Ener-Lalandy mbola velona no nanaovan'ny Havàtsa-Upem io teny io voalohany. Tamin'ny taona 2000, nisy herinandro Fanandratana an'i Ener-Lalandy tamin'izany... Ho an'ireo olobe nodimandry kosa dia natao hoe andro fahatsiarovana; ho an'i Ener-Lalandy izay nalaina ohatra hatrany dia andro fahatsiarovana azy iny 21 marsa iny, toy izany koa i Célestin Andriamanantena, izay samy 100 taona izy roa lahy ireo

Ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Tafatoetra ho soratra manavàtsa tokoa ny haisoratr’i NY AKO na RAKOTOBE RALAKO : mikalo fitiavana, miritsoka fifaliana, miangaly fanantenana, mitory fitiavan-tanindrazana. Tsy mifanalavitra tamin’ny angalin’i Dadavelo tamin’ny alalan’ny hira novelomin’ny tarika RAVELO Jean Baptiste izany.
Nanomboka tamin’ny 2 ora sy 15 mn marina ary nifarana tamin’ny 4 ora sy 15 mn marina ny lanonana. Adiny 2 nianohana ny kanto. HANTANORO no tonian-danonana nanolotra ny trangan-tseho rehetra. Teo am-panombohana dia nandray ny teny ny Filohan’ny Havàtsa-Upem ANDRIANASOLO Hajaina, nodimbiasan’ny Filoha am-boninahitra RAMAKAVELO Désiré Philippe. Taorian’izay dia nisesy tsy ankiato ny FIANTSANA TONONKALO noravahina HIRA.
Toy izao ny endriky ny fizaràna araka ny lohahevitra nandrindran’i ITSIPIKA RAMORAVELONA (Filohan’ny Vaomieran’ny Hetsika ao amin’ny Biraon’ny Havàtsa-Upem)

FIZARANA VOALOHANY
Soratra
  - Lova tsy tontan’ny ela        
  - Iraka                
  - Tononkalo            
  - Boky                
  - Aingam-panahy            
Fiarahamonina
  - Otrikafo                
  - Vola ihany                
  - Ny rivotr’Anosy            
  - Aiza ny marina            
  - Ho an’iza ny masoandro

TAFATAFA FOHIFOHY NIFANAOVANA TAMIN-DRALAKO
— Jao Anjara no solontenan’ny Mpanatrika naneho ny fanontaniana —
Tamin’io no nilazany fohy ny momba azy: teraka ny 15 marsa 1938. Dokoteram-biby no asany (vétérinaire). Tsy nianatra manokana momba ny Literatiora fa nankafy an-dry Beaudelaire sy ry Verlaine; ry Jean Joseph Rabearivelo sy ry Ny Avana Ramanantoanina. Fitiavana ny Teny sy ny Haisoratra Malagasy no ainga nanosika azy hanoratra ary vonona ny hiaro ny hasin’izany izy. Mampirisika ny Mpanoratra ankehitriny izy hilofo sy hitrandraka ny kanto marina ao anatin’ny Haisoratra, fa tsy ho kitanitany na kitoatoa izany.
   
FIZARANA FAHAROA
Fitiavana
  - Domelina                      
  - Mitotoa koba – 1         
  - Mitotoa koba – 2            
  - Iza no tianao – 1            
  - Kalon’ny tia – 2 
           
Fepetra maha olona
  - Ny Bokin’ny fiainana
  - I Meva                
  - Olonolona sa haitraitra        
  - Asakasakareo            
  - Ny fanantenana           
— Famaranana
  - Hira manga
  - Teny, Lova Kanto
  - Fitia tsy mitovy
  - Miandry
  - Hanin’ny fo lavi-tiana
  IREO MPIANTSA
  - Endrik’Aizina
  - NK Tsisatry
  - Balisama
  - Hery Mampionona
  - Aser Manitra (Nami)
  - Ny Mendrika
  - Fanohy
  - Rado Mi’Antsa
  - Ikalonofitsento
  - Vahatra
  - Navalona
  - Jacynthe
  - Danie RND
  - Njanja
  - Jao Anjara
  - Vero
Hira 14 kosa izay mifanakaiky ny aingam-pamoronan-dRALAKO (Ny Ako) no nentin’ny tarika RAVELO Jean Baptiste nampivetsovetso ny mpijery. Anisan’izany ireo hira mamy lalandava toy ny: lalana mody, na inona sedran’ny tany, zovy, ady, Gasikarako… I RANDY na Razafindralambo Andriamamonjy Eddy izay Filohan’ny Tarika Ravelo Jean Baptiste ankehitriny moa dia Mpikambana Havàtsa-Upem efa tranainy rahateo.

Isaorana ny mpandray anjara rehetra nanafana ny sehatra, ankasitrahana indrindra koa ireo mpijery. Ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra, ny fotoana mandalo fa ny sary mitoetra. Tsy natao ambanin-javatra ny fiaraha-naka sary. Mampanantena ny Havàtsa-Upem fa ho avy tsy ho ela indray ny fotoam-panandratana Oloben’ny Haisoratra Mpikambana ato amin’ny Havàtsa-Upem amin’ny manaraka, fa diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela e.
  Tatitra sy sary: HAJAINA-NANOINA-LILLAC

 

Ny Filoha am-boninahitra teo am-panombohana ny lanonana Ny Tonian-danonana nanolotra ny trangan-tseho HANTANORO
   
Ny Filohan’ny Havàtsa-Upem eo am-pankafizana ny seho an-tsehatra Tafatafa fohifohy tamin-dRalako
   
Ny tarika Ravelo Jean-Baptiste Tarihin'i RANDY
   
Ireo mpijery
   
NY SASANTSASANY AMIN’NY SARIN’IREO MPIANTSA
     
     
   
   
FIARAHAN’IREO SOLONTENAN’NY HAVATSA-UPEM, TARIKA RAVELO JEAN BAPTISTE ARY RAKOTOBE RAKALO NAKA SARY


Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 01/06/2018