poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

01 jona 2018

RANDRANTENY

Toy ny mahazatra, isaky ny Sabotsy fahefatry ny volana dia seho niavaka no natokan' ny Faribolana Sandratra hanomezana sehatra ny Literatiora tao amin' ny CGM (Cercle Germano-Malagasy) ny sabotsy 26 mey 2018 lasa teo.

RIVA sy MAMPANDRY NY AINA MANITRA no nizara ny kanto avy any amin' izy ireo ho an' ny mpankafy ny literatiora tamin' ny alalan' ny "RANDRANTENY". Io no lohateny nomen'izy ireo ny antsantononkalo sy ny boky navoakany.

Mby an-tsain'ny olona avy hatrany ny resaka taovolo raha randrana no resahina, mety ho araka ny randrana hatao no miantoka ny hakanton'ny volo. Nandritra ny fotoana anefa dia teny no narandran'izy mirahalahy tamin'ny alalan'ny tononkalo nanehoany ny hakantony, manoloana ireo mpankafy ny literatiora sy mpanaraka ny Faribolana Sandratra.

Hita taratra tamin'ireo olona tonga nijery fa miaina tokoa ny literatiora malagasy satria na dia eo aza ny toe-draharaham-pirenena mampirohoroho saina ny besinimaro dia hipoka hatrany ny efitrano fiseharana. Ny masoandro nody no nampalahelo satria nalai-nisaraka ny rehetra.

Nisy ny boky mirakitra takila 100 izay nojifaina tamin' ny vidiny iray alina ariary. Mbola hita eny amin’ny trano fivarotam-boky samihafa sy ao amin’ny biraon’ny Faribolana Sandratra izany ho an’ireo mbola te hianoka ny hakanton’ny Randranteny.

Nampanantena izy mirahalahy ireto fa mbola vonona hanolotra ny kanto avy any aminy hatrany. Mitohy hatrany moa ny fanandratana avo ny literatiora ho an'i MAMPANDRY NY AINA MANITRA sy RIVA ary ny FARIBOLANA SANDRATRA manontolo, amin'ny alalan'ny antsantononkalo famoaham-boky sy velakevitra fitetezan-tsekoly samihafa.

Tatitra: Tsikimilamina Rakotomavo
Sary: Faribolana Sandratra

 
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 01/06/2018