Créer un site internet

Renty

Poetawebs
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

16 aogositra 2018

RENTY
Tatitr'i Heriarilala Andriamamonjy

“Renty”? Ravaka na haingo manaitra mamirapiratra.
Nanaitra sy nahavariana ny maro tokoa ny tsangan-tononkalo izay notanterahin’i Nofy Andrianjaka sy Anjara Tsy Ahy tetsy amin’ny Ivokolo CEMDLAC ny Alarobia faha 08 Aogositra 2018. Tamin’ny 2 ora sy sasany no nanomboka ny hetsika. Nanombohana ny hetsika ny famakian’Ny Iraka Rambolamanana ny teny fanolorana, hetsika niavaka sy tsy fahita hatramin’izay satria teo amin’ny fanamiana dia tsy nahitana afa-tsy loko fotsy ranoray ho an’izy roa lahy tompo-marika ary  mainty ranoray kosa ho an’ireo pôety nifarimbona taminy teo amin’ny famelomana ny antsa. Tsiky sy fisaonana no hevitr’ireo loko roa ireo. Nandrenty loko roa samy hafa ny pôety roalahy nandritra ny tsangan-tononkalo, loko roa samy hafa nefa misy ifandraisany ihany. Tetsy andaniny ny an’i Nofy izay nampiseho ny fitiavana zanaka sy ny ray aman-dreny, tetsy ankilany kosa ny an’i Anjara Tsy Ahy miresaka fitiavan-tanindrazana. Isan’ny nampiaiky ny rehetra koa ny fahaizan’ilay pôety vavy nisary maty, tsy iza izany fa i Miantsa, toy ireny olona tsy miaina ireny intsony tokoa ary ny namany rehetra dia tafalona tanteraka tao amin’ny fahoriana.

Raha tsiahivina moa dia fizarana efatra no nandrafitra ny RENTY, antsan-tononkalo tsotra no nanombohany, nitohy kosa tamin’ny fiantsana fitiavana tamin’ny fizarana faharoa, teo amin’ny fizarana fahatelo no nidradradradrana ny fitiavan-tanindrazana. Ny fizarana fahefatra sady farany kosa no namaranana ny tohin’ilay tantaram-pitiavana tao amin’ny fizarana faharoa. Nanelanelana ireny fizarana ireny moa ny fanentanan'Andrianaivomalala Arlivah izay fantatry ny maro amin’ny filalaovana tantara an’Onjampeo.

Ankoatra an’i Anjara Tsy Ahy sy i Nofy Andrianjaka dia nisy sivy mianadahy ireo namany nifarimbona taminy teo amin’ny fampiainana ny seho ka ireto avy izy ireo: Ritsoka Balisama, Awi Ja, Fanamby, Tafita, Ritsoka Navalona, Hery Mampionona, Malala, Raozy, Miantsa.

Nandray anjara fitenenana teo am-pamaranana i Jean Paul Randrianiaina izay mpanao gazety nikolokolo ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy araka ny nolazain’i Nofy Andrianjaka. Ankoatra ny seho an-tsehatra moa dia nisy ny varotra boky RENTY tamin’ny vidiny iray alina ariary.

Izahay eto amin’ny Tranonkala Pôetawebs dia mirary hatrany an’ireto pôety tanora ireto mba ho tafasondrotra hatrany eo amin’ny sehatry ny haisoratra malagasy.

Tatitra : Heriarilala Andriamamonjy
Sary : Ny Ami




Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/12/2018