Trandraka talenta
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
09 Septambra 2021
TRANDRAKA TALENTA
Tatitr'i Léa Fandresena
Vita soa ny alarobia 8 Septambra 2021 teo ny fampisehoana mitondra ny lohateny hoe Trandraka Talenta tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy efitrano Dox. Nanomboka tamin'ny roa ora tolakandro ny lanonana ka nanokatra izany ny Tale Jeneraliny Tranombokim-pirenena. Dihy mirindra no nanohizana izany ary nanasana ny mpijery handray anjara. Niantsa  tononkalo izy ireo, vavy sy lahy, nampiseho ny talentany ary tsapa ho havanana tokoa na dia tsy nampoizina aza ny niakarany teny an-tsehatra.

Pôetawebs

Teo amin'ny kabary fanokafana no nisarihana ny fo amam-panahin'ny mpanatrika hankamamy ny fotoana rehetra. Nisesisesy teo taorian'izay ireo tononkalo mirona amin'ny fitiavan-tanindrazana. Nanohy izany ny filohan'ny Trandraka Talenta, ny pôeta Vetson'ny Fanahy, tamin'ny antsa tononkalo. Maro ireo tarakevitra novoizina toy ny alahelo, fiarahamonina, fitiavana...

Afa-po ny mpanatrika satria niavaka tokoa ny seho noho ny fisian'ny mpanentana izay nampifaly ny mpanatrika tokoa, tsy iza izany fa i Anoka Mahery. Noravahana hira sy dihy hatrany ny lanonana ary nelanelanina kabary.

Ankoatra ireo voalaza ireo día niavaka koa ny tantara tsangana izay nahitana fananarana eo amin'ny fiainana momba ny adin'ny mpivady, nampitondrain'izy ireo ny lohateny hoe "resak'akoho". Nahafinaritra tokoa ny filalaovan'izy ireo azy satria nahatsapana ny maha havanana an'ireo mpilalao.

Fehiny, kanto sy nahafapo ny rehetra ny fampisehoana izay nahitana talenta maro samihafa. Nifarana tamin'ny efatra ora sy sasany ny fotoana. I Vetson'ny Fanahy no nitondra ny teny fisaorana ho an'ireo nanatrika sy nanohana ary ireo tsy afaka fa niray fo tamin'ny mpikarakara hatrany, araka izao teniny izao:

"Sambatra raha samy vohitra hono Ambohimanga, fa manana An'Ambatomiantendro fitazantazanana.
Finaritra raha samy tanàna ny eny Ilafy, fa manana ireo aviavy fialokalofana.
Fa sambatra raha samy sambatra, ary finaritra raha samy finaritra kosa izahay tompon'andraikitry ny mpitrandraka talenta sy ireo ankizy nitrandraka ny talentany, notroninareo mpankafy tamin'ity hetsika nokarakarainay ity, dia ny Trandraka Talenta izany"

Izahay eto amin'ny Pôetawebs día mirary soa ho an'ny Trandraka Talenta hitombo talenta hatrany.


Pôetawebs Pôetawebs
Pôetawebs

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 09/09/2021