Créer un site internet

Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

06 Aprily 2015

ROMBOM-PANAHY

Loharano nipoirany

ROMBOM-PANAHY dia hetsika sahobin-tononkalo ahitana pôeta miisa 25 izay nofinofy teraka tao amin'i Rima efa ho herintaona lasa izay, dia ny mba hisian'ny fampivondronana ireo pôeta any anaty fikambanana sy ireo pôeta any ambany ravin-kazo, nozarainy tamin'i Meva Rakotonjanahary sy Ikaloyna Vony izay samy pôeta. Izay no loharano nahatongavana tamin'izao angaredon-tononkalo sy famoaham-boky iraisan'ny pôeta 25 izao. Antso tamin'ny alalan'ny serasera facebook no nifanaovan'ireo pôeta izay tsy voatery nifankahalala akory.

Fanomanana, antso sy fampilazana

Sekoly vitsivitsy sy haino aman-jery maromaro no nampahafantarana an'ity hetsika ity toy ny ENS, Lycee Andohalo, ACEEM RADIO, RNM, RLI, RDJ, MATV, RTA, VIVA, ankoatra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety izay hanazavana ny mahakasika ny ROMBOM-PANAHY.

Roa volana teo ho eo no nanomanana ny hetsika ka nifanakalozana traikefa satria misy amin'ireo pôeta no sambany hamaky lay izany tsangan-tononkalo izany.

Fandaharam-potoana

 - 3 aprily 2015 : valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ao amin'ny OFNAC Analakely
 - 8 aprily : ny maraina dia fampirantiana fafana ahitana ireo mpandray anjara sy fihaonana mivantana amin'izy ireo ary ny hariva amin'ny 3 ora kosa dia antsan-tononkalo ao amin'ny CEMDLAC
 -15 aprily : famerenana ny fampirantiana fafana sy antsa tora-po andraisan'ny rehetra anjara. Ny hariva dia hisy ny fifanakalozana sy ny tsikera iarahana amin'ireo akademisiana ary ireo zoky mpanoratra.

Andiany voalohany ihany ity hatao ny volana aprily ity fa kasaina ny hanaovana azy isan-taona sy hitety faritra ary nahoana moa no tsy ho azontsika atao ny hanokana androm-pirenena ho sahobin-tononkalo toy izao eto an- tanindrazana ?

Momba ny boky

Ny endriky ny boky dia ireny fanao am-paosy ireny ka ahitana tononkalo 83 sy ny sarin'ireo pôeta 25 izay voarakitra anaty pejy 127. Marihana fa nianto-tena ny mpanoratra tamin'ny famoahana ity boky ity.

Tatitra sy sary : Ikaloyna

 

 

Fanazavana teny amin'ny ENS Ireo mpianatry ny ENS nanatrika Teny amin'ny Lycée Andohalo
     
Famerenana Famerenana Ny taratr'ireo bokin'ny : ROMBOM-PANAHY
     
Tao amin'ny Radio RNM Tao amin'ny Radio RDJ Tao amin'ny Radio RDJ
     
Tao amin'ny Fahitalavitra MATV

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×