Izay efa-taona izay
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
11 Nôvambra 2021
Tatitra : Vetson'ny Fanahy
IZAY EFA-TAONA IZAY
— Onja Rakotomalala —

Andro lehibe teo amin'ny Onja Rakotomalala ny alarobia 03 Nôvambra 2021. Fotoam-pankalazana ny efa-taona niakarany an-tsehatra io andro io, izay nankalazainy tetsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox.
Nomarihiny tamin'ny alalan'ny tsangan-tononkalo sy teatra pôetika ity andro malazany, izay voalaza etsy ambony; nifampizarany hafaliana tamin'ireo mpankafy azy tao anatin'izay taona maromaro niakarany an-tsehatra izay.

Noporofoin'i Onja Rakotomalala fa pôeta misokatra amin'ny mpanao zavakanto maro izy. Raha tsiahivina mantsy, herinandro vitsivitsy lasa izay dia niara-nisehatra sy namoaka boky tamin'i Ny Iraka Rambolamanana izy. Ity seho nataony farany kosa, dia ny Hay Sorakanto no niara-nisalahy taminy, namelona ny tononkalo nampianohana ny mpankafy. Ity farany ihany koa no nampisy tsirony ny seho tamin'ny alalan'ny teatra pôetika, izay nanaitaitra sy nankafizin'ny mason'ny mpijery.

Tonga nanome voninahitra ny fotoam-pankalazana ny Tale Jeneralin'ny Tranombokim-pirenena sady nanokatra ny lanonana tamin'ny fomba ofisialy.
Nomarihin'i Onja tamin'ny fanomezana boky ny Tranomboky ity seho ity, ho fanatevenana ny boky literatiora hovakin'ireo mpitsidika ity toerana ity.

Tsy nanao maso be tsy mahita ireo niara-nisalahy rehetra tamin'ity pôeta tanora dia tanora ity, fa nitondra izao teny fisaorana izao:

"Etoana dia maneho fisaorana anareo mpianakavin'ny literatiora aho. Ianareo rehetra izay tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny seho, anisan'izany ny Tale Jeneralin'ny Tranom-bokim-pirenena. Singanina manokana eto koa ny fisaorana ny fikambanana Hay Sorakanto izay nanampy tamin'ny famolavolana sy fanolorona iny hetsika iny. Isika rehetra no toko telo mahamasa-nahandron'ny literatiora ary vonona hatrany ny hisandratra sy  hanandratra avo ny kolontsaintsika amin'ny alalan'ny teny."
Sary : Vetson'ny Fanahy


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 10/11/2021

×