Créer un site internet
Pôetawebs Misehatra tao amin'ny Tsenaben'ny boky
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
13 Nôvambra 2021
Tatitra : Felana Radoniaina
PÔETAWEBS MISEHATRA TAO AMIN'NY TSENABEN'NY BOKY
Raha efa fanaon'ny tranonkala ny miantsehatra ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy isaky ny alarobia fahatelon'ny volana dia nanatanteraka izany tao anatin'ny Tsenaben'ny boky izy ny 12 Nôvambra 2021 lasa teo. Tapatapakahitra tamina pôeta roa no nifantohan'ny mpijery, ary noelanelanina antsa tononkalo sy hiran'ny tarika Brawd BeatBox.

Rehefa avy nanazava ny mombamomba ny tranonkala Pôetawebs sy ny tanjony i Tsikimilamina Rakotomavo mpandrindra ny tranonkala dia nitodika nanazava ny votoatin'ny tranohevan'ny Pôetawebs tetsy am-pita.

Teo amin'ny Tapatapakahitra indray no nahitana ny pôeta Imbitika Rambala sy ny pôeta Mahefa izay samy nitafatafa tsirairay tamin'i Vetson'ny Fanahy, mpikamban'ny Pôetawebs.

Poeta sady mpanoratra Imbitika Rambala. Tononkalo, tantara an'onjam-peo, sarimihetsika no asasoratra voiziny. Tsy mianina amin'ny fanoratana amin'ny teny malagasy ofisialy izy fa manandratra ny tononkalo amin'ny fitenim-paritra misy azy. Nampirisika ireo mpanoratra namana izy mba hitrandraka ny fanoratana amin'ny fiteny eo amin'ny faritra misy azy. Nanome modely izy tamin'ny fiantsana ilay tononkalony hoe: "O ry Kala Raha roy", tononkalo amin'ny fiteny betsileo miendrika resaka ifamaliana. Nasongadiny nandritra ny tapatapakahitra koa ny tokony hilofosan'ireo mpanoratra hamaky boky mba hahita karazana hevitra eo amin'ny asasoratra, hianarana ireo oha-pitenenana, kabary sy ohabolana malagasy, araka ny hafany manao hoe: "raha te ho pôeta, dia tena ilaina ny mamaky boky". Lafiny hafa navoitrany koa ny tokony hisian'ny tsikera literera. Raha tsy izany, hoy izy, dia samy hilaza ny tenany ho mahay daholo fotsiny ireo mpanoratra rehetra.

I Mahefa indray dia pôetan'ny Faribolana Sandratra, mpiantsehatra tao amin'ny CGM sy tany Antsirabe. Mpanoratra tantara fihaino koa izy ary
olon’ny fifaninanana satria efa nahazo loka na laharana ambony maromaro. Vao tamin'ny 20 Ôktôbra 2021 teo izy no nomem-boninahitra tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy nandritra ny hetsika Pôetawebs misehatra ary tamin'ny alalan'ny Tapatapakahitra. Fanazavana ny lesoka sy ny tanjak'iny fotoana iny aloha no nohazavainy voalohany. Rehefa izany dia nohazavainy ny tsiambaratelon'ny fomba fametrahany lohatenina tononkalo sy boky izay miavaka sy manaitra hatrany. Anisany ohatra ny "Mpivaro-tena misotro ronono", "Valopy misy oroka", "Fahaizam-boninkazo", "Firaisana voalohany"...

Inefatra niaka-tsehatra ny tarika Brawd BeatBox nanafana ny lanonana. Niavaka ihany koa ny antsa tononkalo nataon'i Felana Radoniaina. Voafehin'i Vetson'ny Fanahy izay sady tonian-danonana no mpandrindra ny Tapatapakahitra ny fotoana naharitra adin'ny iray katroka.


Vetson'ny Fanahy mitapatapakahitra amin'i Mahefa
Vetson'ny Fanahy sy Imbitika Rambala
Mahefa miantsa tononkalo
Ny tarika Brawd BeatBox
Ireo mpanatrika eo am-piandrasana ny fanombohana
Mipetraka ankavia eo i Felana Radoniaina, eo ankavanany ny Brawd BeatBox
Andiana tranoheva ahitana ny an'ny Pôetawebs teo am--pitan'ny lampihazo
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 13/11/2021