Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

01 Aogositra 2015

 

TATITRA KALO FITIA : ANTSAN-TONONKALON'I RIVA (SANDRATRA)

Na dia vao sambany ihany aza ny nanaovan'i Riva  hetsika teto Antananarivo, dia hipoka tanteraka ny efitra malalaky ny CGM ny alarobia 15 jolay 2015 teo.

Nanokatra ny fotoana i Niry-Solosoa izay namaky koa ny teny fanolorana nosoratan'i Tahirintsoa ao amin'ny boky. Nanampy an'i Riva, indrindra fa tamin'ny fiantsana koa ireo namany, tsy iza izany fa i Liantsoa, Lefitra, Jery, Tahirintsoa, Narindra ary Ratsifa. Izany no natao dia ho fanomezana hasina ireo karazan-tsoratry Riva toy ny riankalo, ny sombin-dahatsoratra, ny sombin-tantara, ny tononkalo sy ny sisa izay milaza ny fiainana andavanandro, ny fitiavana  mampieritreritra, ao ny mampalahelo ary ao ireo miendrika hatsikana.

Mainka moa fa norotsian'ny feo mangan'i Voara ao amin'ny tarika Fangia Kalo Gasy tamin'ny hira kalon'ny fahiny sy ba gasy manavanana azy ka dia nianoka ny kanto roa sosona ny mpanatrika.

Tatitra sy sary : Ikaloyna

 

 

 

Tahirintsoa Voara sy Niry-Solosoa
   
Narindra Ratsifa
   


Riva notronin'ireo namany
Liantsoa  
   
Fangia Kalo Gasy Ireo mpijery nianoka

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×