Créer un site internet
Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

01 Aogositra 2015

HETSIKA TRIATRA AN'I HEMERSON ANDRIANETRAZAFY - TAHALA RARIHASINA

TRIATRA, izany no anaran'ny hetsika notanterahan'i Hemerson Andrianetrazafy tao amin'ny Tahala Rarihasina tamin'ny 20-30 jolay 2015 lasa teo.

Nandritra izany andro vitsivitsy izany no nanehoan'ity poeta mpandoko fanahy ity ny maha izy azy tamin'ny alalan'ny hasimbolana, hosodoko, anjampeo, soradihy ary vela-kevitra.

TRIATRA no anaran'ny hetsika mba entina nanasongadinana ny triatran'ny maha-olona sy ny triatram-piarahamonina.

Nofaranana tamin'ny fiantsana tononkalo niaraka tamin'ny ireo namana tsy mahafoy ny fotoana. 'Ndao hozohintsika an-tsary ny zava-nitranga.

Tatitra sy sary : Ikaloyna







Izy no Hemerson Andrianetrazafy Ny fafana momba ny lalana nodiaviny


Ireo hosodokony


Ireo hosodokony


Niry-Solosoa
Tahirintsoa








Ireo nanatrika akaiky ny fafana
Fanja Razà



Santionany amin'ireo diampeniny

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021