tiako izy

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

20 Desambra 2014.
TIAKO IZY : ANTSAN-TONONKALON'I NY EJA SY I RIMA

TIAKO IZY : Hetsika niarahan’i Ny Eja sy i RIMA nifamotoana tamin'ireo mpankafy ny kanto tetsy amin'ny CEMDLAC Analakely ny alarobia 17 desambra folakandro.
 
Nisantatra ny sehatra Rasoa Mpantsaka Rano tamin’ireo teny fanolorana ny boky nosoratan’i Ny Eja sy i RIMA. Fitiavana no nataony fototry ny fanolorana... Fitiavana mandrakizay fa tsy kindraindray. Tononkalo vitsivitsy tao anatiny rahateo moa no nantsaina tamin'io fotoana io.


 RaSoa Mpantsaka Rano, naman'i Ny Eja sy i Rima, sady nikarakara ny haingon-tsehatra
   
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fiantsana ny tononkalony i RIMA ary narahin’ i Ny Eja niaraka tamin’ireo namana tsy mahasaraka azy toa an’i Lahatra sy  i Harihira.



Rima, poeta sady mpiantsa


Ny Eja


Lahatra sy Ny Eja


Harihira mpakafy ny tononkalon'i Ny Eja


Nihira sy niantsa ny asa sorany koa i Haingo izay sady mpitendry no poeta tamin’ilay hira nampihirainy an’i Solo hoe “Nahoana”.



Haingo, efa vahinin'ny tapatapak'ahitra teto amin'ny Poetawebs [...]
, namorona an'ilay hira mitondra ny lohateny hoe SATRIA (BODO).
 
 
Nandravaka ny fotoana ny rotsirotsim- peom-balihan-dRatovo sy ny namany ary ny kalo an-gitara gasigasin’i Andry ka nampamelovelo ny tonga nanotrona.



Andry mitendry gitara


Ratovo eo amin'ny valiha sy ny namany mitendry gitara


Nofaranana tamin’ny fifamalian’antsan’i Ny Eja sy RIMA mitondra ny lohateny hoe TIAKO IZY izay hita ihany koa ao anaty boky ny fotoana.



 


Tsapa tokoa ho nalai-nisaraka ny rehetra tamin'ny farany.


Ireo mpanotrona

 

 


 Ireo rehetra nandray anjara

Tatitra sy sary : Ikaloyna

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021