Créer un site internet
Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

17 Desambra 2015

"AINGA MANAINGA", antsan-tononkalon'i VINA

I Vina indray no naneho ny kanton'ny tononkalony tetsy amin'ny CEMDLAC Analakely ny zoma 11 desambra 2015 lasa teo.

Rehefa avy nosokafan'ny solontenan'ny CEMDLAC mpampiantrano ny fotoana dia novakiana ny teny fanolorana nosoratan'i Narilala sy ny sasinteny nataon'i Zo Maminirina tao amin'ny boky.

Taorian'izany dia  niroso tamin'ny fiantsana tononkalo i Vina, Narilala, Idealy, Elegie, Faly Mamiratra, Rima, Fana 'Hitia Sento ary i Tiana Miandrisoa.

Amin'ny mahatanora azy dia tononkalom-pitiavana nefa naseho amin'ny endrika somary hatsikana tao anaty boky no nantsaina.

Nitendry ny feon-kira lafika sy nihira i Avotra ary nanampy koa ny tarika Fandio. Nanentana ny fotoana kosa i Mbolaranto.

Nofaranana tamin'ny resadresaky ny mpankafy ny fotoana.

 


Vina
Mbolaranto (mpanolotra)


Narilala Ravakinoro
Elégie


Rima
Fana 'Hitia Sento


Faly Mamiratra
Tiana Miandrisoa



Tarika Fandio
Avotra (Mozika lafika sy hira)







Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 17/12/2015