Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

16 Jolay 2016

TORO HISATRA

Ririnina ny andro! Mando ny ravina. Mamely ny hatsiaka.

Tsy nahasakana ny gaonan'Alaotra tsy hirotsaka eny amoron-drano nefa izany.Tsy hanatona azy eo an-tokonany mantsy ny vendrana sy ny zozoro... maniry any an-jetra. Akora fampiasany ireo, tsy navelany raha tsy azony. Raikitra ary ny fikarakarana, ka nikirakirainy sy novolavolainy... nony ela ny ela toro ny hisatra.

Niato ny herikerika nampamirifiry ny andro. Fa nirotsaka kosa ny aingam-panahy nanefy sy nandoko ny kalo ho kanto. Ireto ary ny mpandrary:

KELLY RANDRIA
TSANTA MIRINDRA
ANDRI MYAM'J
RIANARI ALOSS
VAHELA
TSIARO
AVO-TSIFERANA
JARY
RANOE


 

Efatra amin'izy sivy lahy kosa nisantatra ny "TORO HISATRA" tany Morarano Chrome, ny 08-09 Jona 2016 lasa iny: AVO-TSIFERANA, TSANTA MIRINDRA, KELLY RANDRIA ary VAHELA; nivimbina ny Boky zato (100) isa, izay tapitra lafo avokoa.

Tsy nenina ho an'ireo POETA nandrary ny "TORO HISATRA" ny fandaozana fandriana mafana amin'ny vanim-potoanan'ny ririnina.

Hay, mba mafana koa any ivelany any rehefa mihetsika...
       
TSANTA MIRINDRA Andriamihaja
Ambatondrazaka, 16 Jona 2016.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 17/07/2016