Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

17 Jolay 2016

ANTSA AN-DAMBANANA

Tontosa omaly tao amin'ny Tranombokim-pirenena, efitrano Gisèle Rabesahala, ny 15 jolay 2016 ny hetsika nampitondraina ny lohahevitra hoe Antsa an-dambanana.

Nizara telo ny hetsika:

- Resadresaka
momba ny tanindrazana
- Fiainana amin'ny ankapobeny
- Fitiavana sy ny tontolony

Anisan'ny nanamarika ny hetsika ny nisian'ny mpikabary kalaza Ramihary izay nampitokiky ny maro tokoa.

Narahin'izy ireo ara-bakiteny tokoa ilay hoe "lambanana" satria tena lambanana no nipetrahana tao. Ny fanamarihana nataon'i Arifetra tamin'ny tapatapakahitra nifanaovanay tamin'ny herinandro no nanamafisany ny endriky ny Antsa an-dambanana toa izao: mipetraka amin'ny lambanana daholo, hoy izy, izay tonga ao... mba tsy hanavahana ny saranga tsy mitovy... Ary tena marina ny teniny.


Ny antsa tononkalo dia noelanelanina teatra kely sy hira.
Teo amin'ny zavamaneno sy hira no nahitana an'i Fanojo, Loufika, Aina Herinandrasana, Batsola Silapanahy.

Ireto avy ireo mpiantsa:

- Ikaky Ragasy
- Batsola Silapanahy
- Hiakampandresen'i Joro
- Lea Fandresena
- Arifetra.
- Aina Herinandrasana
- Di Ary
- Loufika

Nanampy: Telonohorefy Mikabary

Ary ny tena nanintona manokana dia ny fomba nandaharana ireo vomanga mafana teny ambony sahafa nifampizaran'ny mpijery.

Hita taratra hatrany ny fandrosoan'ny literatiora eto amintsika ary mahavelom-bolo tokoa ny fanehoana ny fomba sy fiainana malagasy fahiny. Fa noho ny rendrarendra dia nanaraka hatrany ny fivoaran'ny toetr'andro isika. Tsara ny kolontsaintsika Malagasy ka hindrahindrao. Ataovy lafatra ary asandrato avo. Izay heverintsika fa kolontsaina malagasy dia ezaho ny hamerina sy hanandratra izany fa be mpaniry ny antsika. Hisandratra avo anie ny kolontsaina malagasy!

Mamerina fankasitrahana etoana ho an'ireo mpikarakara ny Antsa an-dambanana 2016 izahay mpiara-miketrika ny Pôetawebs. Voninahitra ho an'ny Mpanoratra Malagasy tsy ankanavaka. Misaotra indrindra tompoko

Tatitra sy sary: Anyah

Sehatra, jery lavitra Tsy mifanalavitra ny mpiantsehatra sy ny mpijery fa an-dambanana avokoa... dinidinika ambany tafon-trano
   
Ramihary mpikabary no nanentana Ikaky Ragasy
   
Loufika Di Ary
   
Arifetra Batsola Silapanahy
   
Hiakampandresen'i Joro Léa Fandresena
   
Samy hahazo ny anjara vomangany Moramora ihany sao kendan'ny voamanga asesiky ny tanana!
   



 
Takoritsiky ny mpiantsa sy ny mpijery  
   

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 17/07/2016