Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

14 Aogositra 2016

DOLEVY

Antsa hafakely antsoina hoe DOLEVY no natolotr'i Tahirintsoa sy i Liantsoa tao amin'ny efitranon'ny Faribolana Sandratra - Tahala Rarihasina Analakely - ny zoma faha 29 jolay nanomboka tamin'ny 4 hariva.

Nanokatra ny seho ny tarika Mahowe tamin'ny alalan'ny hira malefadefaka tokoa. Narahin'izy mirahalahy antsa tononkalo marobe izany, tononkalo tsy manara-drafitra, mahalaza ny fiainana rehetra, fiainana amin'ny ankapobeny.

Nisy fafana teo amin'ny rindrina ka maro ireo tononkalo nanehoan'izy ireo ny tantarana tovovavy iray nipetraka teo. Misy mahatsikaiky sy mivantambatana ny tononkalo ka nahaliana tokoa.

Nentina nandravahana ny sehatra ny trano "gasigasy" feno asa tanana malagasy. Tsihy no nitoerana ka niarahan' ny rehetra nifampitakosina teo ka anisany ireo vahiny maro nasaina. Ny alavitra indrindra tamin'ireny dia avy any Frantsa (Hanitr'Ony sy Fahamarinana Maharitra), avy any Angletera (Volatiana Rahaga), tao koa ireo taranak'i Dox.

Nasaina manokana i Fanja Razah, Nataniela (vadin'i  Tahirintsoa sady sakaizan'ny Faribolana Sandratra) ary i Nalisoa Ravalitera (Sandratra rahateo), samy nandray fitenenana.

Nanelanelana ny seho ny tarika Mahowe, ahitana mpihira 3 mirahalahy. I Maherisoa RAKOTOMALALA no nanaingo ny trano.

Nifarana tamin'ny 5 sy sasany ny seho izay nahazoan'ny mpanatrika fahafaham-po tokoa. Nankasitraka tanteraka ny mpikarakara ka nofaranana tamin'ny fiarahana manala hetaheta izany.

Tatitra: Léa Fandresena

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com