Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

26 novambra 2016

SANGODIM-PITIA: HETSIK'I ANYAH

Antsa tononkalo nokarakarain'i Anyah nitondra lohateny hoe "Sangodim-pitia" no naseho tao amin'ny Cemdlac Analakely tamin'ny 23 novambra teo nanomboka tamin'ny 2 sy sasany, ary naharitra adin'ny telo.

Nisongadina tao amin'ny antsa ny fitiavana mifangaroharo anehoana ny fitiavana miredareda sy ny olana maro ao anatin'izany fitiavana izany, izay tonga hatrany amin'ny fahafatesany mihitsy amin'ny farany. Nasehon'izy ireo tamin'ny endriky ny seho izany ka nampiasana ny loko mainty sy mena.

Maro tokoa ny endrika nanehoan'ny mpiantsa ny seho izay nisangodingodina tokoa kanefa kanto. Miandahy miambavy tokoa ireo mpandray anjara mpanampy. Anisany i Zara Ainga, Sento, Mina Ilarion, Tojo Fanantenana. Mazava ho azy fa i Anyah no mpandray anjara fototra. Nanao an'izay mateti-piavy izay i Tsiaro Kely Maditra tamin'ny fanentanana.

Nasaina manokana nanafana ny lanonana kosa ny mpihira malaza Nantenaina sy ny ekipany. Nihira teny anelanelan'ny antsa izy ireo.

Ny mpandray anjara rehetra dia naneho fisaorana feno ho an'ireo rehetra nanatrika ka nanolotra fanomezana hafakely ho an'ny rehetra. "Ho mamy hatrany anie fiarahana!", hoy ny teny nafafy tamin'izany.
Izahay eto amin'ny Pôetawebs koa dia miarahaba ny mpandray anjara rehetra nahavita soa hampandrosoana ny kanto malagasy.

Tatitra sy sary: Léa Fandresena

 

 

 

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/11/2016