Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

08 janoary 2016

ALAROBIAN'NY HAVATSA, ALAROBIA MIVERINA

Tonga fotoana, vory lanona ny mpianakavy, fa nigadona ny alarobia voalohan'ny volana febroary 2017, andro nifanomezan'ny HAVATSA UPEM izay notarihin'ny Filohany Andrianasolo Hajaina ny fisokafan'ny fiantsana tononkalo, ny tafatafa amin'ireo mpanoratra am-perim-panoratana ao amin'ny Efitrano malalaka ny HAVATSA UPEM Tahala Rarihasina... Izoky va no mani-boangaly, sa izandry no mani-dravintsary, no toa manitra andriana ity ala?

Tsy Izoky no mani-boangaly, tsy izandry no mani-dravintsary, fa ny rano fotsim-pitia no mandraraka, no toa manitra andriana ity saha! Tamin'ny roa ora tolakandro dia efa vory lanona ireo mpikambana sy vahiny liana sy te hahafantatra ny ainga nanavàtsa ny taom-pisantarana izany hetsika tsy manam-paharoa izany. Tamin'ny fanokafany ny fotoana no nanoritsoritan'ny filohan'ny fikambanana sy namoaboasany fohy ny fomba fiantsana tononkalo sy ny famakiana taratasy. Tsy natao hovakiana ny taratasy, hoy izy, fa entina kosa hojerena. Tsy hiraina ny tononkalo fa efa misy ny tononkira. Nanomezany ohatra fohy ny famakiana ny sangan'asan'i Rado "Ekeko fa misy".

Atoa Nalisoa Ravalitera no nanazava fohifohy ny lalana tokony hodiavina raha hiantsa tononkalo. Nanomezany ohatra ny fiantsana ny tononkalo nosaratany ary ny fiantsana ny tononkalo nosoratan'i Rado ihany koa "Boboka aho ry tanindrazako".

I Fanja Razah kosa no nisarika ny poeta tsy handiso ny teny. Aza mamorona ny tsy misy, hoy izy, fa ny marina no tokony holazaina. Nitondra fanazavan-teny sy voambolana malagasy izay fampiasa matetika kanefa dia iniana disoina hatrany izy.

Rakemba Rakotomavo no vahiny voalohan'ny HAVATSA UPEM tamin'izao taom-panombohan'ny fisokafan'ny antsa izao. Angano mitondra ny lohateny hoe "Rabeniomby sy Ravolahanta" no notantarainy ho an'ireo mpanatrika. Nisy koa ny resadresaka fohifohy izay nifanaovan'ny vahiny tamin'ireo tonga nanotrona sy niatrika ity fotoana ity.

Azo lazaina ho tafaray tokoa ny tia sy ny manina nandritra ilay fiantsana tononkalo izay nandrakotra ny ampahany lehibe tamin'ny fotoana.

Anisan'ny niantsa tononkalo tao i Hajaina, Fanja Razah, Nalisoa Ravalitera, Dol'Aj, Rabe Jiber, Lillac Chen, Tala Vina, Radox, R. R. Livatra, Maholy Ramarolahy, Rainibemirindra sns.

Marihina fa atao isak'alarobia ity hetsika ity hanomezana fahafaham-po ny hetahetan'ireo Mpikambana, indrindra ny tato afara, te hiantsa sy hisehatra matetika matetika. Na dia ao anatin'ny alavoly sy kilalao aza izany dia hiroso amin'ny fahamatorana hatrany satria misandrahaka hatrany amin'ny angano sy fiseharana tantara.

Amin'ny enina ora vao nifarana ny fotoana nentina handresen-dahatra ny fitiavan'ny olona ny HAIKANTO sy LITERATIORA an-tsehatra.

Tatitra: Rabe Jiber
Sary: Lillac Chen

Dol'Aj niantsa  Fanja Razah Nalisoa Ravalitera manoloana ireo mpijery

 

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com