Créer un site internet

   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 marsa 2017

PRINTEMPS DES POETES TAO PARISY

Lohataona, fararano
Lohataonan’ny Poeta. Tany Frantsa no niforona izany vanim-potoana ankalazana ny Poezia izany tamin’ny taona 1999, ny volana martsa, izany indrindra no naha-lohataona azy, na araka ny toerana misy ny tena aza ny vanin-taona misy. Ohatra mantsy aty amin’ny ila bolantany atsimo misy an’i Madagasikara dia fararano eo, fa ny volana septambra no lohataona.

Saingy azo atao hoe fararanon’ny Poeta tokoa satria fotoana fiakaran’ny vokatra, misy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Poezia ny 21 martsa, ary volan’io taranja io rahateo ny Martsa. "Afrique(s)" no lohahevitra tamin’ity taona 2017 ity.

Les Afriques
Nandray anjara indroa miantoana tao Parisy ny Sampana Frantsan’ny Fikambanan’ny Poeta sy ny Mpanoratra Malagasy Havàtsa – Upem. Ny voalohany dia ny Printemps des Poètes des Afriques et D’Ailleurs (PPAA) izay mpiara-miasa amin’ny fikambanana rahateo; fanomezam-boninahitra an’ Dox Razakandraina sy ny boky "Chants Capricorniens" vao natonta fanintelony, no fototry ny fankalazana 2017. Ny 15 martsa io famelabelarana io, tao amin’ny Société des Poètes Français, Paris 6: "Dox poeta, mpandalina ny kintana". Isan’ireo dimy ambin’ny folo mirahalahy nanorina ny UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches) i Dox, ary ny hampahafantatra azy, ny sangan’asany, sy ny toe-javatra nisy tao Madagasikara no tanjon’ny mpikarakara ny PPAA teto. Nantsain’ny filoha Thierry Sinda sy ny Tale Moa Abaïd ny tononkalo notsongaina tao amin’ny boky; nisy sehatra malalaka nanehoan’ny Pôeta ny talentany kosa avy eo, ka nanolotra fehezana manokana ho an’i Dox i Antsiva sy i Houria. Nisy ihany koa moa ny fanolorana ny revio Les Citadelles, Lah.22, natokana ho an’ny Pôetan’i Afrika, novokarin’i Philippe Démeron, izay misy lahatsoratra momba an’i Dox sy tononkalon’i Francine Ranaivo (zana-drahalahin’i Flavien Ranaivo).

Ile-De-France
Ny faharoa indray dia ny Printemps des Poètes tao Bagneux ny zoma 17 martsa 2017. Tsy dia namely ny hatsiaka tamin’io, nafana fo koa ny mpanakanto, satria tao amin’ny "Le Plus Petit Cirque du Monde" no vory ireo mpanoratra, mpilalao an-tsehatra, mpilalao an-dapy, mpanao "cirque", mpanao "slam", poeta, mpandihy... mba hankalaza izany fotoana izany mandritra ny fampisehoana naharitra adiny roa sy sasany! Samy naneho ny poezia tamin'ny talentany avy. Ny anjaran’ny Havatsa Frantsa teto dia antsa tononkalo nifanaraka tamin’ny lohahevitra "Afrique(s)" natao teny roa, malagasy sy frantsay, ary hira malagasy sy feom-baliha niaraka tamin’ny Sorajavona izay mpikambana rahateo. "Ny ombin-tsarety sy ny olona" an’i Joséphine Ranirina izay nadikan’i Antsiva, "Madagascar" sy "Baobab" an’i Dox, "Ilay olon’ny fanahy" an’i Antsiva, ary "Une amie, une sœur" nosoratan’i Hanitr’Ony no natolotra ny mpijery. Tehaka mirefodrefotra no nandraisan’izy ireo izany. Tena mankasitraka sy liana amin’i Madagasikara, ny haisoratra malagasy, ny kolon-tsaintsika ny vahiny any ivelany. Reharehantsika ny manana izany ka hajaintsika, asandratsika ny maha-Malagasy!
Dia amin’ny herintaona indray no fotoana e!

Tatitra sy sary: Hanitr’Ony

 

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 25/03/2017

×