poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

08 novambra 2017

ANTARANOANA 2, NOSORATAN'I RIVA

Feno hipoka ny efitrano malalaky ny IVO-KOLO / CEMDELAC tetsy Analakely ny zoma 3 novambra 2017 tamin’ny fanolorana sy famoahana ny boky sombin-tantara ANTARANOANA 2 nosoratan’i Riva na i Riva Ando Andriamalala.

Hetsika ho fankalazana ny faha 18 taona niraisan’i Riva petsapetsa tamin’ny literatiora moa ity seho ity.
Hira "Itondray tsikitsiky" nokaloin’i Mbola no nisantatra ny sehatra. Fandraisana anjara fitenenana samihafa no nandimby izany.

Famakiana ny teny fanolorana ny boky izay nataon-dRanoe Filoha mpiara-mitantana ny Faribolana Sandratra no nanombohan’i Riva izany. Nambarany taorian’izay ny lalana nodiaviny teo amin’ny tontolon’ny soratra ka nanehoany fa boky fahenina sahady Antaranoana 2 taorian’ny Kalo fitia, Revy hafa, Kalo fitia 2, Revy hafa 2.

Rtoa Norohaingo Seheno  mpandrindra nasionalin’ny Tanora eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena avy eo no nilaza fa zava-dehibe ny fiaraha-mientana eo amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny mpanoratra. Ilaina mantsy hoy ihany ity tompon’andraikitra ity ny fifanakalozana eo amin’ny samy tanora amin’ny alalan’ny vaky boky tahaka itony.

Ny Ministeran’ny Kolontsaina sy fampiroboroboana ny Asa tanana ary ny fiarovana ny vakoka tamin’ny alalan’Atoa Lalao .R lehiben’ny sampan-draharaha eo anivon’ny CEMDELAC kosa no nanazava fa maro ireo ivon-toerana famakiam-boky sy fanentanana ara-kolontsaina manerana an’i Madagasikara. Azon’ny rehetra  izay te hanovo fahalalana atao araka izany ny mamaky sy mindrana boky any amin’ireny Ivon-toerana samihafa ireny.

Taorian’ny lahateny nifandimbiasana dia natolotr’i Riva tamin’ny fomba miavaka ny boky Antaranoana 2. Maro mantsy ireo toerana hizarana izany toy:

- ny CLAC miisa 27 manerana ny nosy
- Tranoben’ny tanora miisa 45 manerana an’i Madagasikara
- IKM
- Foibe fitahirizana eo anivon’ny vaomieram-pirenena Malagasy ho an’ny UNESCO
- Tranoben’ny Kolontsaina Fenoarivo Atsinanana sy Mahajanga

Rehefa izany dia nisy ny antsan-tononkalo izay nataon’i Riva ka nampianohany ny rehetra tamin’ny “Mira”,”Kolikoly”,”Oroka”,”Mira va”,”Velomita”.
Nisy ny ampahany tamin’ny sombintantara no novakian’iRiva ho fanampin’izany .Ny hiran’i Mbola,Manoa,valérie hatrany moa no nanome aina ny fotoana.

Niafara tamin’ny fizarana koba  izay mariky ny fiombonana eo aminy sy ny mpankafy moa ny fotoana.

Riambola Mitia izay tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Faribolana Sandratra Sampana Antananarivo moa no nanentana ny fotoana manontolo

Tsikaritra tamin’ity fotoana ity ny fiavahan’ny ravaka nentina nampihaingoana ny sehatra. Labozia amin’ny endriny maro samihafa mantsy no nanazava izany.
Ny Poetawebs dia mirary an’i Riva hitombo hasina ary hitondra fahazavana hatrany eo amin’ny tontolon’ny soratra ary mankalaza sahady ny amboara fahafito izay antenaina fa tsy ho ela.

Tatitra sy sary: Tsikimilamina Rakotomavo

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 09/11/2017